mar.

13

avril

2010

Mpanolotsaina ny tetezamita: Tsy te-ho maimbo Ratsirahonana

Filoha maromaro no efa notsilovany saina

Mpanolo-tsaina to teny amin’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina i Norber t Lala Ratsirahonana. Nambarany, omaly, teny Anosy fa tsy nahalala velively ny fihaonan’ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana tany ambadika tany ny tenany ary tsy nanatrika mihitsy. “Raha izay no lalana hivoahana amin’ny krizy dia mety izany”. Raha Maputo sy Addis-Abeba aloha dia tsy mety intsony fa mila manova. Tsy misy afa-tsy ny fifidianana mangarahara ihany no vahaolana ivoahana amin’ny krizy”. Mikasika ny fifidianana dia nambarany fa 90 andro aorian’ny fiantsoana ny mpifidy, raha ny lalam-pifidianana, no atao ny fifidianana, izany hoe any amin’ny volana jolay raha izao no antsoina ny mpifidy. Nolavin’ity mpanolotsaina ity fa tsy anjara asany ny mikarakara ny fampidirana olona na tsia ao amin’ny Filohan’ny FAT. “Misy mpiandraikitra ny arofenitra ao, manana sekretera manokana ny Filoha, ary malalaka izy mandray izay olona tiany ho raisina. Herintaona nitondrana ny Filoha ka efa manana traikefa izy handray fanapahan-kevitra”. Mikasika ny savorovoro eo anivon’ny tafika dia tsotra ny teniny: “manantena ny fahendren’ny tafika aho”. Tsy te ho maimbo manoloana ny zava-misy ankehitriny ingahy mpanolontsaina araka ireo heviny ireo, na dia maro aza ireo namany manambara fa izy no fositry ny tsy fahombiazana ankehitriny.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra