mar.

13

avril

2010

Fetison:Ananan’ny vahoaka trosa ny tafika

Mihazakazaka ny toe-draharaham- pirenena, miovaova izay tsy izy ny tontolo politika eto Madagasikara. Nisy ny dinika fohy nifanaovanay tamin’andriamatoa Fetison Rakoto Andrianirina noho izao savorovoro politika eto amin’ny tanana izao.

Basy vava : Aiza ho aiza ny fijerinao ny tontolo politika amin’ny ankapobeny eto amin’ny Firenena ?

Fetison : Mbola lavitra ny lalana handehanantsika Malagasy vao ho tonga any amin’ilay sehatra politika tena hitondra vahaolana marina ho an’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Ny fitiavan-tena no tena manjaka amin’izao fotoana izao, izay tsy ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana tena izy. Mampalahelo ihany satria efa betsaka ihany ny trangan-javatra niseho, tsy mety mandray lesona isika, indrindra fa ny mpanao politika.

Basyvava : Nilaza ny mpikambana iray ao amin’ny FAT fa « malemy ny mpanohitra na ny ankolafy telo », marina ve izay ?

Fetison : Ny manahirana amin’ity resaka ity dia iza no afaka hifampihaino. Matetika izahay no nilaza fa ny fifampidinihana no ahafahantsika mitondra vahaolana amin’izao fikatsoana izao. Niezaka nifandamina isika samy malagasy, tsy nahay nanararaotra fa samy te hanana ny marina. Natao ny fanelanelanan’ny vahiny, izay tsy mahalala akory ny fotopisainana sy ny soatoavina malagasy, vao nitsiry indray ny fijoroana ho Malagasy. Ny olana anefa miha mitombo, ary ny firenena mihavery. Tsy ny mpanohitra ihany anie no hoe malemy fa na ny mpitondra ankehitriny koa aza dia tapi-dalan-kaleha. Inona no vahaolana? Miverina miresaka ary resena ny hambo diso toerana na avy aiza na aiza. Samy Malagasy isika rehetra, samy mitondra ny anarana hoe tompon-tanindrazana, inona no misakana antsika tsy hanohy ny fifampidinihana ? Andrasana hahazo hery tsy azo tohaina ve ny mpitaky ny ara-drariny izay hiteraka savorovoro vao hanenina ka hiverina amin’ny fifanatonana ?

Basy vava : Mahakasika ny olana eo anivon’ny Foloalindahy amin’izao fotoana izao, inona no hevitrao ?

Fetison : Ny Foloalindahy no tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fitohizan’ny olana teto amin’ny firenena. Ny Foloalindahy dia manana andraikitra hamahana ny olana, satria manana trosa amin’izany izy ireo. Noho i zany, raha ny hevitro, dia tokony handray anjara izy ireo, mba ho onitry ny tsy vita rehetra, amin’ny fanerena ny ankolafy efatra hiverina amin’ny fifampiresahana, hitadiavan’izy ireo ny marimaritra hiraisana. Ireto farany anefa dia tsy tokony hanadino fa efa niova fizotry ny toe-draharaha ka tsy hanadino ireo mpandray anjara hafa. Basy vava : Inona ny vahaolana arosonao hivoahana amin’ny krizy ?

Fetison : Ambonin’izay efa voalazako teo dia tsy tokony ho adinoina fa ilaina ny fampihavanam-pirenena. Tsy maintsy miaiky sy mitaky izany ny rehetra. Tsy misy ny tonga lafatra fa ndeha hifanaiky fa izany fampihavanana izany dia tsy maintsy misy mitarika. Ny Filoha teo aloha Zafy Albert dia efa nivonona ny amin’izany. Ndeha ampiana izy hanomboka an’io !

Basyvava : Mbola vahaolana ve ny fifanarahana natao tany Maputo sy Addis Abeba ?

Fetison : Hambo diso toerana ny fandavana ny foto-kevitra sy ny fomba fampiharana azy, satria izay no lalan-tokana hankatoavan’ny firenen-drehetra ny rafitra tetezamita tian-kajoro. Ny fampiharana azy no tokony handaniam-potoana. Izay no hevitr’ilay «loabary an-dasy» natao tamin’ny volana martsa lasa teo !

Basy vava : Hafatra omenao ny vahoaka.

Fetison : Kihon-dalana tena sarotra izao lalovan’ny firenena izao. Mila fitoniana eo amin’ny rehetra mba tsy hipoiran’ny fanapahan-kevitra tsy am-piheverana sy voalanjalanja ka hiteraka korontana tsy hanam-pahataperany eto amin’ny firenena. Efa tena mijaly ny vahoaka. Efa tsy misy lalan-kivoahana intsony ny firenena. Mitsangana, tohano ny hevitra amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra amin’ny alalan’ny fifanatonana sy fifampidinihana. Nanangona Livabe

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra