mar.

13

avril

2010

Abaraji...ôbarajà !

Miala an’Ankatso dia Ambohidempona, nanezakezaka nanaraka iny lalana iny ka tonga teto an-tampon’Itsimahalalakely sy Isamireraka…dia eto aloha maka saina, maka hery, maka fanahy, maka tahaka, maka vinany, mankany mankany e ! Ho any ambadik’Imanareza sy hiverina any amin’ilay niandohana indray izany ? Ahilika amin’ny mpanao gazety indray ankehitriny ny fototr’ireny resaka tsy hita fototra ireny ka hilazana fa tsy mahay ny asany sy tsy mahafehy ny zava-boalazany izy ireo. Fa mbola tsy nisy angamba nimenomenona teto, rehefa tsara petrapetraka ny mpanao gazety, rehefa fitahina fa hanao an’izao sy izao ny mpanao politika kanefa tsy tanteraka akory izay voalazany sy nambarany, na koa navela ho toy ny vato natsindry ahazana izy ireo. Tsy afaka hanao faminavinana sy hanao tara-kevitra intsony ny mpanao fandalinana ankehitriny, satria dia ampotomoty ny fiovanjavatra ka sarotra ny fironan-kevitra vaovao. Fivoriana etsy sy eroa no ataon’ireo “bebaoty” amin’ny fandaminana ny raharaha mahatonga ny fizaran-kevitra, ary dia tonga ho azy ny fihaonana teo amin-dry zareo sy ny filoha avon’ity tetezamita ity…Manao fitsidiham-paritra ry ”tonton Sôla” sy ny ekipany ka mitaky tsy ankiato ny fanatanterahana ny fihaonan-bem-pirenena hizorana avy hatrany any amin’ny fitoniana sy ny fifidianana mangarahara, toa miray hevitra amin-dry “Ka miviombio” sy ry “Debakely” ry zareo amin’izany. …Dia nihaona mangingina ihany koa ny “mpinamana taloha” izay samy miaro ny ankolafy tiany arovana. Tanisaina eto daholo ireny ka inoana fa ny fisehoan-javatra sy ny fanehoan-kevitra rehetra eto dia hikatsahana hatrany ny vahaolana ivoahana amin’ny kizo ankehitriny. Mifankatiava ihany raha mbola velon’aina, hoy ry Rabemanantsoa, ary inona moa no hifandrafirafiana, hoy ry Tseheno…Ka efa vonona daholo ve anefa ny mpandray anjara sa mbola misy andrasana ? Miandry mpanao majika isika rehetra e ! Fantatra tsara fa mahatazona olona hihaino azy daholo izay maneho hevitra ankehitriny, ary dia samy manantena ny mpanatrika fa hahavita “raha” izay mivolana aminy eo. Inoana fa efa hitanao ireny mpanao fahaizan-javatra eny amoron-dalana ireny. Na dia efa fantatry ny rehetra aza fa “fika” efa miverimberina no ataony dia mahavory olona hatrany izy ireny, ary dia mahazo vola ihany koa satria dia io mihitsy no foto-pivelomany. Misy amin’izy ireo tsy manohy ilay fampisehoana raha tsy vita ny fanatazam-bola. Dia mba mahaiza ianareo mpanao politika malagasy mba hahay ny “Abaraji..ôbarajà” hampirevy ny spekta e! sa tokony ho ravàna fa famorian’olona tsy nahazoana alalana no ataonareo? Avereno ary ny volanay fa hay ianareo “Aotra” ! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra