lun.

12

avril

2010

Vita amin'ny antsonjay be fahatany fotsiny ve izy ity

Amin'izao fotoana iainantsika izao hatramin'ny nisian'ny krizy sy ny fitondrana Fat ,dia azo lazaina ho tsy hita be ihany ny tena fandehan'ny fiainana sy ny sehatra politika, ary ny tena fotodrafitr'asa marina. Ny lamin'asa izay tsara petraka sy voafaritra mazava tsara tamin'ny andron'ingahy filoha Ravalomanana , dia zary lasa very an-javony sy iniana ovaina na koa potehina tsotra izao . Ohatra iray azo omena antsika dia ,ny ao Mahajanga renivohitry Boeny . Nahavita trano tsara tarehy sy manara-penitra tokoa ny filoha Ravalomanana tao izay aty akaikin'ny fiangonana Fjkm aty Antsahavaky, nefa noho ny krizy dia lasa nijanona hatreo ilay asa sy ny lamina rehetra momba azy io( natao ho sekoly fianarana manara-penitra ho an'ny zanak'i Mahajanga ) Amin'izao fotoana izao dia tadiavin'ny fitondrana fat halaina io trano be manara-penitra io ,fa saingy tsy manaiky lembenanana ny fiangonana fjkm eo an-toerana satria ho azy ireo ny nananganana an'io trano io. Tsy manana paika sy hevitra hitondrana ny firenena ve rizareo ao amin'io fitondrana io fa dia manao ny antsonjay be fahatany fotsiny any ka mibodo ny ezaka vitan'ny hafa foana. Ny zavatra tokony hain'ny mpitondra ao amin'ny Fat io manko fa tsy mora ny mitondra firenena. Ilana fahamatorana sy firehan-kevitra matotra ary indrindra indrindra dia ny fahaizana mifanakalo hevitra sy mifandray tendro amin'ny rehetra na ny any ivelany na ny eto an-toerana. Asa lahy rahoviana vao hahatsapa izany izy ireo !!!

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra