lun.

12

avril

2010

Ikotofetsy sy Imahakà !

Ikotofetsy sy Imahakà ! Toneo ihany ny fo rehefa miresaka fa sao hiteniteny foana ka hiboridana imasom-bahoaka no iafaràny. Malaza amin’ny teny mahery vaika ireny olona ireny, ka tsy mifidy voambolana avoaky ny vavany mihitsy rehefa sendra ny tsy rariny sy izay heveriny ho diso. Tsaroana etoana fa efa nifanenjan-tsandry tery amin’ny lapampanjakana teny Tsimbazaza ireny olona ireny fahiny, ka tena nigagàna ny fisehony. Hevitra tsy nitovy no nampifanolana tamin’izany. Ankehitriny dia tafara-dalana indray ireny olona ireny rehefa avy nihiboka nandritra ny fotoana maharitra tany am-ponja. Dia mamatrapatratra fa tsy misy tany milamina sy ahafahana mampijoro ilay fanjakana vaovao raha tsy misy ny dinika andraisan’ny rehetra anjara . Aleo handeha ny teny ieràna sao hifamadika eto indray ny angady tanimanga sy ny goaika anaty harona. Mahery fo sy manana fitarihana tolona tena mahomby tokoa ireny olona ireny, rehefa misy ny fihetsehambahoaka, ary tsy nahasakana azy ireo tsy hanohana an-dRamose tamin’ny fotoan’androny ny filazana fa tsy baikoin’ny mpanao politika irangahy iny. Tsy nahagaga raha tany am-ponja no nanohizany ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Raha ireo tantara ara-politika niainan’ireny olona ireny dia tsy navelan’ny vanim-potoana tsy handray anjara feno hatrany izy ireo. Mahimahina hatrany amin’ireny olona ireny, ny olompirenena amin’ny ankapobeny noho ireo fihetsiny mifono hafetsena. Inoana kosa fa efa nanefy ireny olona ireny ny trangan-javatra niainany hatramin’izao, ka tsy izy ireo mihitsy no hijery manokana ny tombontsoany fa tsy maintsy hijery sy hanao ezaka amin’ireo vahoaka mety hifidy azy. Raha tsy ny vahoaka indray angaha no hanohana “vato tsy hianjera...Ka tsindrio ho’aho ny fo fa tsy voatery ho fitaka hatrany ny vava avoakan’ireny olona ireny. Dadan’I Ranto.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    deba (jeudi, 15 juillet 2010 19:30)

    Tanana efa zatra nitsotra ny an'ireny olona ireny tsy afaka hivonkina intsony.Mba mailo fa ny resaka anie hafa ary ny hatao hafa e!Raha ny resaka rehetra natao teto amin'ity Firenena ity ve no tena notanterahina ha any ankady hoatra an'izao isika rehetra.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra