lun.
12
avril
2010
Tsy tanteraka ny fanambarana na adihevitra niarahan’ny Andry Rajoelina sy izay « mpanao gazety » nofantenana hanao izany, izay saika nalefa tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny alahady 11 aprily hariva lasa teo. Tsy nisy fanazavana ny antony nanafoanana azy tampoka teo, na dia maro aza ny mpanara-baovao no niandry izay ho lazainy. Fantatra ary fa tsy tontosa io fanambarana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana io satria mbola hihaona amin’ireo manam-boninahitra tompon’andraikitra ambony eo amin’ny foloalindahy izy. Tsy fantatra be ihany moa ny fizotran’ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato izay, fa ny hita ety ivelany dia manao tohivakana ny fanesorana amin’ny toerany ireo « miaramila be baoty » anisan’ireo « namono ny voay » ary vy nahitan’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita (fat) ny toerana sy ny fahefany ankehitriny. Araka ny tsaho niely tamin’iny faran’ny herinandro iny dia hisy fanonganam-panjakana ataon’ny miaramila, kanefa tsy fantatra hoe iza marina ireo miaramila hanao izany, fa dia izay voatondro-molotra dia … esorina. Nanara-dia ny jeneraly Rakotonandrasana Noël koa izany ilay komandà nakarina ho lietnà kolonely nalaza tamin’ilay raharaha « Episcopat Antanimena » tamin’ny taon-dasa. Izany tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe « nokaikerin’ny amboakely tiany ». Dia manontany tena ny mpanara-baovao noho ireo toe-draharaha ireo « hay ve izany ny « poizina » madinika miteraka ahiahy sy ny ady an-tranon’ny samy fat no tena tsy ahafahan’ity tetezamitan’i Andry Rajoelina ity mahavita izay nampanantenainy, fa tsy ny ankolafy politika telo e ? Dia inona izany no hambara amin’ny « vahoaka » indray rehefa avy mihaona amin’ireo manamboninahitra ireo ?