sam.
10
avril
2010
Tsy milamina ny tany! Manjaka ny korontana, very hevitra ny vahoaka, ary toa mandry fahalemana ny mpitondra ao amin’ny FAT. Io no tsapa, raha ny fijerena ny fiainam- pirenena tamin’ity herinandro ity. Nongotana tamin’ny toerany ny minisi t ry ny f iarovam-pi renena Noel Rakotonandrasana. Isan’ny atidoha nametraka izao fitondrana izao tamin’ny toerany. Porofo iray, fa mivaky ny tafika, na dia nambara aza fa tsy mitombina izany. Resaka niely fa nikasa hanongampanjakana no anton’io, na dia tsy nanambara mivantana izany aza ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta. Ity herinandro ity ihany no nahafantarana fa mitohy ny fitokonana ataon’ireo gadra Politika eny Tsiafahy tsy hihinan-kanina. Misy ny marary mafy, ary ao ny efa tena reraka tanteraka. Ny etsy Antanimora, dia nanomboka ny azy ihany koa ireo gadra Politika mahatratra 30 eo ho eo. Ny eo anivon’ny Paramedicaux izay tsy mbola nahitana vaha-olana, ary dia nanakatona ny CSB I avokoa ny alakamisy lasa teo, ary mbola notohizana tamin’ny faritra maro teto amin’ny nosy. Efa nametraka ny tobim-pahasalamana tetsy amin’ny HJRA ho nihosondra izy ireo, ary nametraka fampitandremana ho an’ny fitondrana ankehitriny, mba tsy hanao herisetra amin’ny fisamborana na fanapahana karama, eny hatramin’ny fandroahana aza. Nambaran’izy ireo, fa hakatona avokoa ny toby fampianarana ho an’ireo Paramedicaux rehetra manerana ny nosy nanomboka ny alakamisy lasa teo. Nihet s ik a ihany koa tamin’ity herinandro ity ny teo anivon’ny ankolafy telo. Nananika ny kianjan’ny demokrasia etsy Ambohijatovo izy ireo, ary nanambara fa hitarika vahoaka etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ihany koa i Tonton Ambroise. Nisy ny olona voasambotra tamin’io hetsika io, izay miisa roa raha ny heno tamin’ny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra, fa iray kosa no hita tamin’ny gazety. Nisy ny grenady lakrimozena nipoaka teny Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mey. Tsy lazaina intsony ny fivorian’ireo manamboninahitra tamin’ity herinandro ity ihany, ar y tsy latsa-danja amin’izany ny valin-kafatra nataon’ny ministry ny foloandahy Noel Rakotonandrasana tamin’ny mpanao gazety momba ny fanalana azy tamin’ny toerany. Ireo no isan’ny nisongadina teo anivon’ny fiaraha-monina, saingy toa mandry ivohon’ny vato ny eo anivon’ny FAT. Tsy nandrenesam-peo ny filohan’ny tetezamita. Ny mpikambana eo anivon’ny FAT sasany ihany no mba miteny ihany indraindray. Ny vahoaka kosa etsy ankilany, dia miaina ao anatin’ny fahasahiranana isan’andro vaky izao. Tsy nisy fahagagana ho amin’ny fahatsarana, fa toa milentika andro aman’alina. Nitady toko isika ka nahita, ary izay no efa nanatsidihanay tamin’ity herinandro ity hoe hitondra inona indray ity volana Aprily ity ? B.V