sam.

10

avril

2010

Ladinim-bahy ?

Tsy karazan’ireo mpanao politika tai-dronono mandroatra raha iny olona iny, mpandimby toerana ihany izy raha tonga nitantana ity tanan-dehibe eto madagasikara ity. Sahiny avy hatrany ny nidina teny an-kianja namaha olana. Na ao anatin’ny krizy mafy aza ny firenena iray manontolo dia tsy nikoso-maso iny olona iny mametraka izay fampandrosoana mendrika ilay tanàna eo ambany fiadidiany. Tamim-pahasahiana no namahany ny olan’ireo mpivarotra amoron-dalana, ny fitaterana, ny fanajariana ny fotodrafitr’asa simban’ny fihetsiketsehana lavareny, ny fandraisany anjara tamin’ireo fivoriana iraisam-pirenena ho an’ny tanàn-dehibe maneran-tany. Mpandraharaha nahita fahombiazana hatrany tamin’ny asa aman-draharahany raha iny olona iny, ary anisan’ny hery lehibe nanosika azy hanatsara ny fiaraha-monina izany, efa nanambara moa izy fa hirotsaka eo amin’ny sehatry ny politika amin’izay…Azo inoana fa hitondra ny fahaiza-manaony iny olona iny ,ka tsy hitazam-potsiny ny fandikana lalàna marobe mila hahazo vahana eto amin’ny fari-piadidiany. Tankina sy variana ihany anefa ny mpanara-baovao tato ho ato fa toa voadingana sy nanaovan’ny mpandraharaha hafa hitsin-dalana iny olona iny. Eny amin’ny haingombaton’ny tanàna mihitsy no heverina hanaovana tetik’asa goavana sy fampiasam-bolan’ireo vahiny. Kanefa dia toa sanatria tsy misy mpifehy ny tanàna ka ahafahana manao izay saim-pantatra fotsiny ihany. Toa tetik’asa efa maty paika sy azo tanterahana avy hatrany mantsy ity tian-katao sy hajoro. Dia natao ho lalana ho lalovana fotsiny ary ve iny olona iny ? Tsy misy lehibe noho ny vatolampy anie, hono, r’iny olona iny e! Ka any aminao ny lakilé fa sao hadinonao izany. Dadan’I Ranto.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra