sam.
10
avril
2010
Nesorina noho ny ahiahy ho hanongam-panjakana ny minisitry ny foloalindahy. Tsy niandry ela fa avy hatrany, dia nitondra fanazavana momba izany ity farany ny alakamisy lasa teo, ary maro ny fanazavana nentiny tamin’izany. Isan’io ny filazana fa mbola haka ny hevitry ny mpiaramiasa aminy aloha izy fa hiala na tsia. Tsy nikasa hametraka fitondrana miaramila izy, satria tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Raha sahy haka ny toerako aty ny Praiminisitra dia asaivo mankaty izy. Nanaitra ny maro ny fandrenesana fa raha miala ny tenany, dia tsy hay izay hiala ampitso sy ny manaraka, ary ahiana hoy ity minisitra isan’ny nametraka izao FAT izao tamin’ny toerany ny ho ratsy lavitra noho ny fitondrana teo aloha ny amin’izao fitondrana izao. Ampahany ireo, fa ny manaitra ny rehetra, dia mipatitaka tanteraka ny eo anivon’ny foloalindahy. Mbola ho lazaina fa ny mpanao gazety indray ve no mandrangitra amin’izany? Fitondrana heverina fa mailo amin’izay miseho ity ankehitriny ity, ary matoa nesorina amin’ny toerany ity minisitra nafana fo teny amin’ny Episkopa Antanimena tamin’ny 17 martsa 2009 ity, dia misy porofo azo antoka ao. Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro, dia ny hoe ho samborina ve izany ity minisitra Noel Rakotonandrasana ity, satria nilkasa hanongampanjakana sa tsia? Raha ny fantatra mantsy, dia nahazo ny sazy henjana avokoa ireo nikasa hanao izany. Tsaroantsika tsara fa migadra eny Tsiafahy ilay Adjudant chef nanao fanambarana teny amin’ny RAS ny faran’ny volana desambra mbola io taona 2009 io ihany. Efa nanambara, araka ny voatatitra etsy ambony, ny filazan’ity minisitra nesorina ity ny filazana fa tongava raha haka ny toerany ny Praiminisitra. Hatahotra izay ve ny fitondrana sa hampihatra tsy mitanila ny heverin’izy ireo fa lalana velona? Mikorontana tanteraka ny foloalindahy, kanefa etsy ankilany, dia misy hatrany ireo nasondrotra grady ho marimpankasitrahana izany. Isan’io ny kôlônely Camille Vital, izay nampiakarina grady ho Général de brigade, tamin’io alakamisy io. Voalaza fa noho ny fankasitrahana ny asa vitany no nampiakarana izao grady izao? Dia isika rehetra no mandinika izay fahombiazana izay na tsia, fa ny fiainam-pirenena aloha hatramin’izao dia mihitsoka tanteraka no hita. Ny azo antoka, dia ho sarotra ny handamina ny korontana eo amin’ity foloalindahy ity, satria tafiditry ny resaka politika be loatra. BasyVava