sam.

10

avril

2010

Basy tsy mipoaka Very ilay « tokony ho izy »

Misavoritaka ny fanapahan-kevitra raisina etsy sy eroa, tsy fantatra intsony izay laoniny! Ganagana misasa loha? Ankizy afa-patorana? Totozy tsy misy Saka hatahorana? Tsy misy fefy ka afaka migoraobaka daholo? Samy manao izay mahafalifaly ny sainy? Samy mandeha samy mitady? Sady tsy mahay no tsy menatra, mila doka sy tehaka arahin’hoby? Sa miandry ny akoralava vao ho tonga saina? Rako-pantsy tanteraka izay mba maneho hevitra ka velona ny fifampiandrasana kendrintohina. Tsy misy na iray aza fanapahan- kevitra tena mifototra amin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy fanjakana. Mety ho marina tokoa fa ifandimbiasana ny toerana politika sy ny fitantanan-draharaha eto amin’ny firenena ka dia novàna ihany koa ireo mpitsara eny anivon’ny conseil d’état. Hafahafa toy ny vazaha misalaka izany satria ao anaty ady hevitra matetika no hanatanterahana ny fanovana sy fanolosoloana olona no vaha-olana atematemaka.Samy mahatsiaro isika fa zavatra nanahirana ny fanalàna ilay Praiminisitra niara-nitolona teny an-kianja, ilay minisitra teny Anosy tsy nahalala akory ny fanalàna azy fa sendra reny teo amin’ny fahitalavitra fotsiny ihany, ankehitriny dia io fa miverina indray izany fombafomba izany mikasika ilay minisitra eny Ampahibe. Nahoana tokoa moa ity minisitra nesorina ity no mikaroka vaha-olona any ivelan’ny fanjakàna? Miara-mivorivory amin’ny olona tsy manam-pahefana akory? Sarotra taminy ve no nitondra izay hevitra hitany teo anivon’ilay fanjakana nanendry azy? Ary ny fihetsika sy ny fanambaràny fa misy ny gaboraraka dia manamarina sy manome rariny ilay hetsika kilezolezo efa nandritra ny herintaona ngarangidina…! Tsy mazava ny fanapahana, ary voafehy tokoa ve ny raharaham- panjakana? Tsy misy mba iraisana sy itovian-kevitra? ”On conserve les acquits” io tokoa ve no hery manetsika ny FAT ankehitriny? Tsy mahagaga anie izany raha miala izay tsy < Jacky > e! Ka mbola ao ihany ve ra-jacky? Ilay tokony ho izy? Mbola ao ilay Saka nampitsoaka ny totozy? Mbola misy olobe mahafehy sy atahoran-jaza? Dia mahagaga ihany raha mbola hisy ny fifampidinihina amin’ny vondron’olona tsy mahafehy ny mpiray donak’afo aminy toy izany .Vao miatomboka ny resaka e ! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra