ven.

09

avril

2010

Jeneraly Rakotonandrasana Noël: "asaivo mankaty izy e"

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety androany ny Jeneraly Rakotonandrasana Noël, taorian’ny nanesorana azy tsy ho ministry ny foloalindahy. Anisan’ny nambarany nandritra izany : - “Tsy nikotrika fanonganam-panjakana izany ny tenany, fa raha nanongana izy efa nataony izany hatramin’izay. Saingy nisy kosa sokajin’olona samihafa nandefa hafatra taminy nangataka handray ny fitondrana, kanefa tsy nanaiky izany izy. Noraisiny avokoa ny soso-kevitra tonga teo aminy (avy amin’ny mpanao politika, diplomaty, ray aman-dreny am-panahy,sns) ary niantsoany fivoriana handinihana ny fomba famahana ny krizy politika.” - Tsy nampahafantarina ahy ny fanesorana ahy. - Tsy ratsy ny fiheverana ny hanao fifidianana fa tokony jerena aloha ny fahasahiranan’ny vahoaka. Tokony nojerena izay nampanantenaina ny vahoaka (menaka 2500 ar ny litatra, vary 500 ar ny kilao) ary tokony hotanterahina fa tsy ny fifidianana no hahamaika. - Misy container maromaro tsy mandalo contrôle any amin’ny seranan-tsambo any Toamasina. Ao anatin’izany ilay misy basy miisa 260 eo ho eo. Tsy mampaninona ahy ny miala nefa azoko atao ny tsy miala mihitsy, ary tsy misy mahasakana ahy amin’izany raha tsy voavaha ny olana. Hatramin’izao mbola tsy hitako ny didim-panjakana manala ahy. Momba ny famindram-pahefana amin’ny PM Vital izay voalaza fa handray ny toerana : niray feo taminy ireo manamboninahitra ambony manodidina azy nanao hoe : asaivo mankaty izy e ! (?). Comité Militaire pour la sécurité et le Développement: Atsangana mandritra ity tetezamita ity (mitovy lenta amin’ny HAT). Voalazany moa fa izay rehetra nambarany dia feon’ny foloalindahy avokoa

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra