sam.
10
avril
2010
Saika niharana tranga mampieritreritra hatrany ny tontolon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, hatramin’ny nanombohan’ny krizy politika no mankaty. Manaporofo izany ireto toejavatra ireto. Sekoly FJKM any Toamasina Fantatra fa nisy nikasa haka ny fitaovan’ny sekoly FJKM ao Toamasina ny alin’ny alakamisy lasa teo. Nisy nitonona ho solotena avy ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy ary nitondra taratasy voasonia avy any amin’ny ministeran’ny fikarohana siantifika sy ny fanofanana arak’asa nilaza haka ireo fitaovana. Rehefa nifanentana ny kristiana tany antoerana dia niala maina ihany ilay fikasana, satria vory avy hatrany niambina iny alina iny ny kristiana maro. Tsy nisy kosa ny fifanavakavahana teo amin’ireo samy kristiana. Nisy ireo nilaza fa tsy afangaro ny raharaha politika sy ny ara-pivavahana. FJKM any Bekily Nilaza ihany koa ny mpitandrina Ravelosoa Mickael ho naharay taratasy avy amin’ny lehiben’ny distrika mikasika ny fanamarinana ny volam-piangonana ao amin’ny FJKM any Bekily. Voalaza mantsy fa hidina any an-toerana ny avy ao amin’ny distrika hanamarina ny volampiangonana. Raha ny fitsipika mifehy ny fiangonana amin’ny ankapobeny dia ao anatin’ny fiangonana ihany no isafidianana ny olona hotondroina hanamarim-bola. Sekoly FJKM Amboniloha Ho an’ny sekoly FJKM Sedera Amboniloha indray dia velon-taraina ny ankamaroan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra eo amin’ny tsy fahafahana manefa ny saram-pianarana ara-potoana. Nilaza moa ny talen-tsekoly, Raharilahy Benjamina, fa tsy hametraka olana mikasika izany ary tazonina hianatra ihany ireo mpianatra, na tsy nahaloa saram-pianarana arapotoana aza. Tsiahivina fa intelo izay no nanao bemidina naka an-keriny fitaovana tao amin’ity sekoly ity ny andiana miaramila vitsivitsy tsy fanta-pihaviana. Manana izay mety ho hevitra entiny ihany koa ny fiarahamonina mikasika izao trangan-javatra izao. Nanangona Harimbola M.