jeu.

08

avril

2010

Baolina kitra: Didier no mety ho mpanazatra ny Barea?

Didier Six eo amin'ny ankavanana

Rehefa lany soa aman-tsara ingahy Ahamad dia nisy ny fihaonana teo aminy sy ingahy minisitra. Fihaonan'ny ray sy ny zanaka moa izy io koa dia nametraka lamina sy fangatahana vokatra ingahy minisitra mba ho fanatsarana ny baolina kitra malagasy. Zavatra telo lehibe no hita misongadina amin'izany : Mila mijery ny baolina kitra any anivon'ny faritra ny filoha am-perin'asa, mba hiakaran'ny hahavo tekinika n'ireo mpilalao avy any sy mba ho hita taratra ny fivoarany. Mila jerena sy arahi-maso ny fikarakarana ny tanin-ketsan'ny baolina kitra ka mila atomboka any amin'ny fototra izany dia ny fokontany sy ny sekoly.Izany hoe mila manao fifaninanana isan'ambarantonga ny federasiona ,mba hitiliana ireo tena ho avin'ny baolina kitra. Ary ny farany dia mila vokatra tsara ny eo anivon'ny ekipa nasionaly.Nefa hita sahady fa efa nilavo lefona isika eo amin'ny sehatra afrikanina latsaky ny 17 taona (Déclaré forfait pour la Coupe d'Afrique des Nations) noho ny fahatomoran'ny fotoana. Andrasana indray izany ny eo amin'ny sokajy zokiny amin'ny tompodakan'i Afrika 2012. Momba izay ekipa nasionaly izay ihany dia efa nanatsidika ingahy minisitra fa ho avy tsy ho ela ilay mpanazatra vahiny, fara fahatarany ny faran'ity volana avrily ity.Raha ny feo mandeha dia toa ilay mpilalao kalaza fahiny frantsay tamin'ny taona 80 Didier Six no mety hitondra ny Barea . Raha ny fijerin'ny rehetra anefa dia tsy ny mpanazatra no tsy mahay eto amintsika fa ny fomba fitantanana eo amin'ny ratsa mangaikan'ny baolina kitra mihitsy no mila fanamboarana, eo koa ny fidirana lalina amin'ny resaka kiantranoantrano, sy ny fidiran'ny politika eo amin'ny baolina kitra. Dia ho hitantsika eo ary ny tohiny sao manko lahy ho lasan-ko vavany toy ny isan'andro ihany e !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra