mer.
07
avril
2010
Tsy voatery ho ny lehilahy hatrany no tompon-teny farany momba ny fiainana ara-pananahana fa afaka mandray an-tanana an’izany tsara ihany koa ny vehivavy. Ireto ny lesona tsara ho fantatra, raha tianao tsy hanadino anao ny vadinao momba io resaka io. Saka Ianaro ny saka amin’ny fihetsiny sy ny fitiavany safosafoina. Manana izay feony mampiavaka azy izay izy amin’iny fotoana iny. Inona no tsy akanao lesona amin’izany ? Ataovy fantatry ny vadinao amin’ny fihetsikao ilay fiandrasanao safosafo. Somary manao feon-tsaka kely ao ampoto- tsofiny fotsiny ianao dia azonao antoka fa hiakatra avy hatrany ny “excitation”-ny. Fakana lesona manaraka indray koa ny fomban’ny atiala, noho izy mando lava. Ilain’ny lehilahy ny vehivavy mafana sy mando. Mety tsy hanahirana ilay hoe mafana, saingy eto amin’ilay mando no mety ho olana. Mitondra antsika any amin’ny lesona manaraka izany. Rantsan-tanana Mba hahamando lava ny fivaviana dia mety ny manatsofoka ny rantsan-tanana etsy sy eroa, sady hanehoana azy ihany koa izay fa tsy misy fetrany ny fanirianao hampientana azy. Azonao kasihina ny ativavany. Azo atao ny manafosafo ny faritra rehetra mikainkona sy miforiporitra amin’ny vatany. Asehoy azy mihitsy fa fantatrao tsara ny tenanao ary tsy manavao anao ihany koa ny azy. Ny lesona ani san’ny manan-danja indr indr a amin’ireo dia ilay mifampibanjina amin’ny maso. Toy ny fifamatorana anaty sahady ny hevitry ny maso mifampijery tsy misy miala mandritra ny fotoana fanaovana firaisana ara-nofo. Zava-dehibe izany hoe manome fahafinaretana izany, saingy mbola hafa ihany koa ilay hoe sarotra adinoina. Ireo ary ny lesona fa ny fampiharana azy sisa ny tohiny.