mer.
07
avril
2010
“Tsy misy afa-tsy fifidianana madio, mangaraharaha, marina sy eken’ny rehetra no vahaolana, ary ireo fifidianana ireo koa tsy hiteraka olana hafa indray.” Nitety faritra maro ny f i lohan’ny f ikambanana Mama f i soa , R a j emi son Rakotomaharo, ny 28 hatramin’ny 30 martsa lasa teo, nihaonany tamin’ny mpikambana sy ny vahoaka, ka nanazavany fa “tsy namadika palitao velively izy.”fa maka ny toerana am-povoany. Mifandray tanana “Malagasy mijoro ao anatin’ny fihavanana sy ny soatoavina” dia mametraka ho tarigetra ny firaisankina sy ny firahalahian’ny samy Malagasy. “Tokony hifanome tanana hatrany ny Malagasy hampandrosoana an’i Madagasikara” hoy ny filohan’ny antoko Politika Mamafisoa, Rajemison Rakotomaharo. T s y n i a l a v e h a n a tamin’izay izy, hatramin’izay nidirany tao anatin’ny fitondram- panjakana izay, ary mbola tohizany hatramin’izao. Na tany amin’ny far i t r a Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, na tany Vakinankaratra, dia fankasitrahana hatrany no natolotry ny vahoaka nihaona taminy, satria nahatsapa ireo fa izay no hafatra nilainy heno sy hahatsapany fa mbola misy ny manam-pahefana mbola mizaka sy mandala ny soatoavina Malagasy tanteraka. Hery hafa koa ny fahanginana Elaela ihany no tsy nandrenesana ity masoivohon’i Madagasikara any Soisa ity, sady solontena maharitra ao amin’ny Firenena Mikambana rahateo. Tao aorian’ny kabary nataony tany Iavoloha, ny taona 2006, nanazavany fa ilana fandavan-tena ny fanolorantena eo amin’ny fitondrana, dia tsy heno firy intsony ralehilahy. Ary na dia nahemotra lavitra aza ny toeran’ny loholona eo amin’ny arofenitry ny fitantanam- panjakana, dia nitazona hatrany ny finoany Rajemison Rakotomaharo fa handroso i Madagasikara Amin’izao fotoana izao, mbola omena lasitra mitovy amin’ny mpamadika ny tenany. “Tsy namadika palitao aho, hoy izy, fa nesorina tamiko izany”. Efa nanjaitra ny sahaza ahy aho, dia Mamafisoa.” Ny namany rahateo dia samy miaiky fa tsy nisy fanaratsiana an’iza n’iza nivoaka ny vavany, na teo amin’ny asa ataony na teo amin’ny fihetsiny. Ankoatra izay, miezaka Mamaf isoa hanambatra ny Malagasy , satria “izay no hany lalana hivoaran’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Raha fehezina ireo, dia tsy naka ny toeran’i Jodasy ho mpamadika ny tenany, fa nijery ny asiany ny tongony ho amin’ny lalan’ny fampandrosoana an’ity firenena ity. Raivobe