mer.

07

avril

2010

Hajimé Senseï !*

Zaza bodo tsy nahalala izay ambonin’ny tany iny olona iny, fony nataon’ny fanjakana fahirano ny fikambanana natsangan’ny rainy. Namoahan’ny tafika malagasy fiara mifono vy mihitsy ny fanenjehana ny rainy sy ny fikambanany tamin’ny fotoan’androny. Zanaky ny efa mangotraka ary tsy matahotra ny mangorovitsika iny olona iny. Isaky misy ny fiovàna, na fihetseham-bahoaka ara-politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana, dia mitodika hatrany any amin’iny olona iny ny fijerin’ny ankabeazan’ny olom-pirenena. Tsy mitazam-potsiny iny olona iny rehefa misy ny tsy rariny mihatra amin’ny mpiara-belona aminy. Tsy miala vehana amin’ny vahoaka osa sy malemy izy amin’izany. Mpandimby ny anaran-dray tokoa iny olona iny ary nahafoy tena aminjavatra maro ho an’ny mpiara-monina. Fandavan-tena sy fandaminana matotra no nahatsiarovana ny fientanany nandritra ny tolona ho fiarovana ny safidim-bahoaka tamin’ny 2002. Nandritra izao fijoroan’ny tetezamita ankehitriny izao dia nahabe resaka tokoa iny olona iny sy ny fikambanana tarihiny. Tsaroan’ny rehetra ny fanomezany fe-potoana izao fanjakana izao ny tsy fanekeny intsony ny fifamonoan’ny samy malagasy. Samy velom-bolo tamin’ny fihetsik’iny olona iny ny rehetra tamin’izany niandry izay ho tohiny…Nandritra ny taona 2008, raha tsiahivina kely, dia nanezakezaka nanentana iny olona iny, amin’ilay hetsika fangataham-pitahiana amin’Andriananahary mpamorona ho amin’ny ho avin’ity firenena ity. Mifohaza ry Gasy ! Samy nahatsiaro izany daholo raha mbola olom-pirenena malagasy te-haniry soa ho an’ity tanindrazana ity. Tsy naharototra firy iny olona iny anefa tamin’izany ny fanarabirabian’ny sasany azy ho mpisandoka ny asan’ny mpitondra fivavahana. Tsy nahagaga ny mpanara-baovao raha ny fahatazanana iny olona iny nandritra ny hetsiky ny mpitondra fivavahana farany teo. Mifameno sy mifanitsy indrindra ny tolona sy finiavan’iny olona iny ny ezaka ataon’ireto dimbin’ny Apostoly ireto…Saingy manontany tena ihany ny rehetra sao mba mila ezaka mivaingana sy azo tsapain-tanana avy amin’iny olona iny ireo mpiara-belona tena osa sy mitaintain- dava amin’izao krizy lavareny izao. Manantena ny rehetra fa tena dimbin’ny rainy tokoa iny olona iny, ka tsy ny mahakasika ny fanahy ihany no fototr’ezaka ataony, fa hifototra tanteraka amin’ny fikaroham-baha-olana amin’ity fijaliana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-tsosialy mahazo ny mpiara-belona ity. Dadan’i Ranto

*teny Japoney : Alefa ry mpampianatra !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra