mer.

07

avril

2010

Fanalana ny ministry ny Fiarovana: Voahilika ilay nifofotra sy nively vy

“Manoloana ny toe-draharaha nifamahofafo, manodidina ny foloalindahy, izay niteraka ahiahy, eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena dia nanapa-kevitra ny fitondrana avon’ny Tetezamita, ka namoaka didim-panjakana laharana 2010/178 tamin’ny 7 avrily 2010, araka izany dia manomboka izao dia ny Praiministra no hiandraikitra ny fitantanana ny ministeran’ny Foloalindahy, mandra-pisian’ny fanovana ireo mpikambana ao amin’ny governementa. Ho fotoana fohy ihany izany, dia hiroso amin’ny fanatanterahana ireo fehin-kevitra nolaniana sy nifanarahana teny amin’ny fikaonandoham-pirenena nataon’ny foloalondahy teny Ivato, …ka hisy komity manokana hanara-maso izany”, izay ny ambangovangon’ny fanambaran’ny Praiministra Camille Vital, omaly , teny Mahazoarivo. Ilay ministra noroahina kosa, izay nifofotra nively vy tamin’ny fanovana, isan’ny nangady nananana tamin’ny fiokoan’ny Capsat, ny 8 martsa 2009, no nesorina, ka ilay praiministra vaovao vao tonga no … “niravaka ny vanginy”. Raha nantsoina ny ministry ny foloalindahin’ny FAT, dia nilaza fa “tsy nahafantatra ny fanalana azy raha tsy io harivan’ny omaly io”, tamin’ny fotoana nanaovana ny fanambarana. “Tsy hanao masoivoho izany aho, aleoko mijanona eto Madagasikara”. Nandeha ny resaka fa izay ministra miala dia omena toerana masoivoho. Nolaviny ny hoe nikasa hanongam-panjakana izy fa ny fitadiavam-bahaolana no nimasony. Raha nanontaniana izy hoe hijanona ho ankolafy Rajoelina ve ianao ? “Tsy ankolafy Rajoelina aho fa miaramila ary miaramila no nahatonga ao tao amin’ny Governemanta. Ankolafin’ny vahoaka aho." Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Ony rambelo (vendredi, 09 avril 2010 10:40)

    Mba mijerijery ity basyvava ity eto ny tena dia lasa saina ihany hoe tena ilay nifofotra sy nively vy tokoa ve io io

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra