mer.
07
avril
2010
Faly sy ravoravo ny Malagasy rehetra fa nifanaraka ihany ho amin’izay hitondrana ny firenentsika ireo mpanao politika malagasy. Tafatsangana ny governemanta iraisana ka tsy misy nidongy an-kanina intsony ireo be vava sy tsy mijery afa-tsy ny ho any am-biliany. Teny ieràna avokoa no nifanarahana amin’ny fanendrena ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra hatrany an-tampony ka hatraty amin’ny manakaiky ny vahoaka. Hatrany avaratry ny nosy hatrany amin’ny tendrony atsimo indrindra dia niara-nientana fa hiroso amin’ny répoblika vaovao isika. Hiroso amin’ny fakàna ny hevitry ny vahoaka malagasy ny fitondrampanjakana ka tsy nisy voahilika intsony. Vahoaka marobe no tonga nihoby ireo mpanao politika sesin-tany, niaraka niverina teto an-tanindrazana, ary notsenain’ny mpitondra avo teto an-toerana sy ireo mpanao politika marobe. Fifampiarahabana tsy maty fo aman’aina no nipololotra teny ambavan’ny maro. Tsikaritra koa ireo mpanao politika nahiboka tany am-ponja nandritra ny krizy, ireo mpitondra fivavahana, ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika, ireo rehetra very asa dia velom-bolo sy manam-panantenana indray amin’ny ho aviny. Nahatalanjona sy nampihetsi-po ny fieraha-mientana nataon’ireo vahoka marobe nanonitra ireo rehetra norobainy nandritra ny krizy : Tao ireo nanolotra ny heripony ka nanarina indray ny radiom-pirenena sy ny televiziona malagasy, naverina tamin’ny tompony daholo ireo zavatra simba nandritra izay herintaona izay. Ny Malagasy teto an-toerana dia miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana sy ny fitiavana ny fireneny. Tena ady hevitra no niseho teny amin’ny andrim-panjakana isan’isany. Hay, rey olona, mbola ilay maraina vaovao nampanantenaina hatrizay ity iainana ity. Mbola mifampiandry kibay ny mponina sy ny mpitandro filaminana, mbola tsy nisy zavatra niraisana fa nifandrirotra etsy sy eroa ny mpanao politika malagasy, tsy mbola hita sy voafaritra ihany ny lalan-kevitra hivoahana amin’ny krizy, mbola misy ireo mpanao fitakiana etsy sy eroa, mbola tsy nahazo fankatoavana any ivelany ihany ilay fanjakana avo, mbola tsy nahazo famatsiam-bola, ary mbola nikatona ihany ny orin’asa afaka haba, mbola nitrongy vao homana ny olona…Toa satry hiaina ilay aligna ihany k’ah. Tena nofy ririnina re ! Ony RAMBELO