mar.

06

avril

2010

Tonton Amboise: "Miala i Andry Rajoelina"

Ampy izay ny fanapotehana ny tanindrazana nataon’i Andry Rajoelina! Tsy ilaina intsony ny fifampidinihana miaraka aminy, satria efa nalentiny any anaty kizo ny firenena. Tandremo fa raha tsy miala izy, dia hifototra aminy ny hatezeram-bahoaka sy ny miaramila. Io indray ny fanazavana nentin’i Tonton Amboise manoloana ny krizy hiainan’ny vahoaka ankehitriny. Hitarika olona hidina an-dalambe aho, ary hpo henjana ny fihetsika hiseho amin’izany. Tsy ilaina intsony ny mbola hitakiana ny hisian’ny fifampidinihana. Dinika tsy mihoatry ny tany Maputo sy Addis Abeba, nefa dia notsipahiny akintsirano izao, ny sonia nataony. Fomba ahoana no mbola afahana miara-midinika amin’ny olona tsy mitana ny teny nomeny tahaka izany? Tsy maintsy avoaka ihany koa ireo olona nogadraina noho ny raharaha 2009. Be loatra ireo fanamparam-pahefana natao hoy ity mpitarika ny movansy legaliste ity, ary izay no tsy maintsy hijoroan’ny hery rehetra. Hatreto kosa, dia mbola tsy voafaritra mazava izay fotoana hanaovan’ity mpanap politika ity izany hetsika goavana izany, ary nahitsy ny tenany nanamabara fa tsy matahotra ny ho samborina izany ny tenany. Raharaha 7 febroary Tetika manokana hamelezana ny filoha Ravalomanana no nagalana mpisolo-vava vahiny miisa roa nataon’ny FAT ankehitriny. Avelao handeha ny raharaha, fa tsy misy atahorana an’io. Tsara ho fantatry ny maro, fa tompon’antoka tamin’iny tranga iny izay olona nitarika vahoaka hanafika lapam-panjakana. Tsy azo atao maneran-tany izany, satria faritra mena. Misy mihevitra ho afa-maina amin’ny vono tahaka ireny ve izay olona nitaona vahoaka handromba lapa toy ireny hoy i Tonton Ambroise? Hatreto, dia hihitatra indray izany ity raharaha ny 7 Febroary 2009 ity, satria efa misy mpisolo-vava vahiny miantsehatra ity raharaha ity. B.V

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra