mar.
06
avril
2010
Eo amin'ny efatra na dimy alina ireo vahoaka tonga nanohana ny antson’ny mpitondra fivavahana tetsy amin'ny kianjan'Alarobia omaly alatsinainy. Tsy nahasakana ny fahatongavan’ny olona ny fisian’ireo hetsika ara-kolontsaina ampolony maro teto an-drenivohitra. Na teo aza ny fingampingana madinidinika toy ny fanapariahana ny lainga, milaza fa 2000 ariary ny fidirana, tsy nanakana ny olona ny tsy ho tonga izany, vao maika nirohotra ny vahoakan Andriamanitra. Tamin’ny 10 ora, natomboka tamin’ny hira ara-pilazantsara maro ny fanentanana samihafa. Nisy ihany koa ireo carnaval izay anisan’ny nampiavaka ity hetsika omaly ity. Tonga nanotrona ny lanonana ihany koa ny avy amin’ny ankolafy telo notronin’ireo mpanao politika maro izay maniry mafy ny hifaranan’izao krizy mahazo ny firenena izao. Ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 40:1-2b no nanompanana ny fanompoam-pivavahana ary tamin’ny fo feno fanantenana no niarahan’ny rehetra niombom-bavaka :“Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo; mitoria teny soa mahafaly an’i Jerosalema ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony”. Hiditra amin’ny asa mivaingana amin’izay ireo mpitondra fivavahana. Tsy hiandry ela fa dia amin’ity herinandro ity ihany. Ho voakasika amin izany asa izany na ireo gadra politika, na ireo mpanao politika, na ireo rehetra mety hahavaha ity krizy ity. “Fampihavana aloha no hanombohana izany” hoy ny Pasteur Roger Randriamisata “ka miankina amin’ny fahombiazana na tsia no fitohizan’ny hetsika”. Ho mafy ny fiatrehana izany hetsika heverin'ny mpitondra fivavahana hatao izany satria hipaka hatrany amin'ireo fianakaviam-be iraisam-pirenena mihitsy ny fanentanana. “Hanao izay tratry ny heriny ny mpitondra fivavahana ka mila entina am-bavaka fa raha tanteraka izany dia hifarana ny krizy. Vonona izahay noho ny amin’ny Tompo” hoy ny hafatra farany nataon'izy ireo. Beloha Anankiroa