mar.
06
avril
2010
Anio maraina no heno fa hivoy eny amin’ny toby Ratsimandrava ny avy ao amin’ny FIGN sy ny 1er RFI? Ny anton’io fivoriana io, dia tsy mbola hay, fa ny resaka mandeha, dia ny filazana fa mikasa haka fahefana ireto andian-toby roa iretro? Misy anarana manam-boninahitra maromaro, voatonona matetika tamin’iny herinandro iny, momba ny fanambarana goavana izay kasain’izy ireo ho atao eto amin’ny firenena. Hatreto, dia mbola tsy misy fanampim-baovao voaray momba ireo fiantsoana fivoriana ireo, fa ny azo antoka, dia mahakasika ny resabe ho fanonganam-panjakana tamin’ny herinandro ny anton’izao.