mar.

06

avril

2010

Manao beloha Lafrantsa, miaka-dapa any Paris Andry Rajoelina ny 14 Juillet 2010

Valan-dresaka Jacques Toubon (TB) tao amin'ny Radio aminy teny frantsay RFI.(RFI Marie Pierre Olphand) Andriamatoa Jacques Toubon dia Sekretera jeneralin’ny fanomanana ny Dimampolo taonan’ny Fahaleovantena afrikana, tompon’andraikitra voalohany ny fikarakarana ny hetsika izy izany.

RFI : Filoham-pirenena 14, avy amin’ireo zanatny frantsay teo aloha, no nasain’i Frantsa, amin’ny volana jolay ho avy izao. Hanao ahoana ny fifandraisan aamin’izy ireo, satria misy amin’izy ireo no tsy voafidim-bahoaka, toy an’i Laurent Gbagbo , Andry Rajoelina (Madagasikara), ny filoha vaovaon’i Niger izay nahazo ny fitantanana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana, herinandro vitsivitsy lasa izay ?

TB : Tsotra ny safidy napetraka : nasaina avokoa ny filoham-pirenena afrikana rehetra, eny fa na dia ireo tsy dia mifandray firy amin’I Frantsa aza. Toy izay ihany koa ny fanasana ho an’ireo Tafika afrikana. Ho hitantsika eo izay hamaly ny antso. Maro no efa namaly ka nilaza fa ho avy.

RFI: Iza no tsy namaly hatramin’izao?

TB: Araka ny volazanao, tsy mbola namaly aloha ny filoha ivoarina. Araka ny hevitra, firenena manana ny fiandrianany ny firenena afrikana, Natolotra ny rehetra ny fanasana ary an’ny tsirairay no mandray ny andraikiny.

RFI: Ao anatin’ny fikarakarana ny hetsika “Jolay 2010”, efa nifankahita tamin’izy rehetra ve ianao?

TB: Tsy nihaona tamin’I Gbagbo aho, satria mbola miandry ny fivoatry ny toe-draharaha any I Frantsa, toy ny firosoana amin’ny fifidianana. Ankoatra izay, tsy nihaona tamin’ny filohan’I Niger ihany koa aho, ny antony dia tsotra, sarotsarotra be ihany ny fifandraisana niaraka tamin’I filoha Tandja sy ny nanoloana azy. NA izany aza, efa nihaona tamin’ny ambiny aho.

RFI: Nihaona tamin’”ilay” Malagasy koa ve?

TB: Nihaona tamin’ny filohan’ny tetezamita Rajoelina aho tany Paris (en privé)

RFI : Tsy dia tsara loatra ny fifandraisanao voalohany tamin’ireo masoivoho afrikana. Nilaza mihitsy ny sasany tamin’izy ireo fa azy ny fahaleovantenany. Ahoana no hanamarinanao ity fetin’ny Afrikana any Frantsa ity ?

TB: Samy miandraikitra ny tokony ataony ny tsirairay. Tsy sarotra ny fihaonana voalohany. Ho anay, ny andraikitray, na ho an’ny Frantsay na ho an’ny Afrikana mipetraka aty Frantsa, dia ny hanome endrika tsara sy mendrika ity fankalazana ny faha dimampolo taon aity. Aorian’izay, samy afaka mandray ny fankalazana araka ny fijeriny azy ny firenena voakasika rehetra.

RFI: Nisy tamin’ireo masoivoho afrikana no somary nasiatsiaka ihany, toy ny masoivoho ivoariana, Pierre Kipré. Aminy, tsy mahakasika azy velively ity hetsika “franco-française” ity. Ahoana no fandraisanao izany?

TB: Tsy nasiaka mihitsy izy. Nanamafy fotsiny nyvoalazan’ny filohany, Laurent Gbagbo izy, izay nilaza hoe: “Tsy hanana endrika hafa afa-tsy ny endrika maha nasionaly azy ny fankalazana ny dimampolo taonan’ny Fahaleovantenan’i Côte d’Ivoire. Aminay, tsy misy idiran’I Frantsa ny fanakalazana izany”. Izay no heviny, izay no andraikitra noraisiny.

RFI: Inona no azo fantarina nandritra izay dimampolo taona nampaleotena an’ireo firenena irao ?

TB :Ny tsy maintsy fantarina dia misy ny firosoana mankamin’ny demokrasia, mankany amin’ny ilay antsoina hoe « tsara tantana » na dia fantatra tsara aza fa mbola betsaka ny tsy ampy ary maro no tsy tomombana. Ary faharoa, efa miha-mirona amin’ny fanatontoloana ireo firenena ireo, izany hoe efa misokatra kokoa amin’ny firenen-drehetra fa tsy mihanona fotsiny intsony amin’ny fifandraisany manokana amin’i Eropa na amin’ny firenena nanjakana azy fahiny ; ary fahatelo farany, efa tsy azo lavina fa efa manomboka miarin-doha ny toe-karen’izy ireo. Izay nanaitra ahy manokana, dia ny nahita fa efa maro ireo olom-baovao lehiben’orinasa tsy maka tahaka intsony izay nataon’ireo indostria niorina tany amin’ny taon-jato faha 19, na ny any Chine sy Inde.

RFI : Tsy azo ambara hoe toetoetra manodoka momba ny fahaleovantenan’ireo ve izany ?

TB : Tsy dia manodoka loatra izany. Nahoana isika no tsy mijery afa-tsy ny zava-tsy mahomby sy poak’aty mandrakariva ?

RFI : Tian’I Lafrantsa ny miresaka hatrany hoe “aina vaovao amin’ny fifandraisana eo amin’ny Afrika sy Frantsa. Inona no hevitr’izany ?

TB : Ny dikan’izany dia ezahina, mandritra ny fankalazana io faha-dimampolo taona, io ny hanamafy kokoa ny fifandraisana eo amin’I Frantsa sy Afrika. Izany hoe : “tsy hiteny intsony : tsia tsy hisy izany, tsy ilaina izany, na hiafina fotsiny ao ambadiky ny rantsan-tanana. Tsia! Faharoa, hazavaina ny fifandraisana;. Tahaka ny nataon’ny filoha Sarkozy nandritra ny fitsidihana nataony tany Gabon farany teo. Ary fahatelo, havaozina ireo singa samihafa amin’ilay antsoiko hoe “ politika vaovao ho an’I Afrika” mba hitsinjovana ny hoavy, ary izany no efa nanovanay ny fifanarahana amin’ny lafiny fiarovana, izay nomena endrika fifarahana ara-pandriam-pahalemana kokoa fa tsy ho fiantohana mimafamly intsony.

RFI : Hahazoan’I Frantsa manamafy indray ny fifandraisany amin’ireo zana-taniny taloha izany io lanonambe io satria mety matahotra ny hialan’izy ireo izy amin’ny maha mpifaninana azy amin’ireo firenena hafa manomboka mandroso ? TB : Minoa ho fa ny zava-misy noho ny fanatontoloana no anton’izany, ary tsy misy handà izany; Maro ireo firenena afrikana zanatany fahiny no mifandray amin’ny firenena hafa toa an’I Brésil, Chine, Indonésie, Canada, mifandra amin’ny firenen-drehetra. Toy izany koa ny tsy hanokananay ho anay manokana ny fifandraisanay amin’ny Afrika atsimon’I Sahara na Afrika avaratra. Mihevitra aho fa ao anatin’izay zava-misy izay no tsy maintsy ijerena am-pitoniana ny toe-javatra. Tsy hoe fifandraisana tsy dia misy lanjany akory ny fifandraisan’I Frantsa amin’ireo zanataniny taloha, fa fifandraisana ara-penitra. “Ara-penitra” tsy midika ho “tsy manan-danja”.

Tsindrio ny sary raha hiaino mivantana

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra