lun.

05

avril

2010

Tonga tsy nampoizina

Rehefa nirodana ny fanjakana notarihan’i Ramose dia nisitrisitrika daholo ny ankamaroan’ny mpanao politika nanohana ny fitondrana teo aloha, na dia ireo filohan’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny aza dia tsy hita popoka fa nivalona tany ambadimbadika tany daholo, fa iny olona iny kosa dia nijoro ary tsy menatra niaro hatrany ny foto-keviny sy ny fahafahany ka nampiseho tamin’ireo rehetra mpanaraka ny vaovao politika fa izy dia mitondra ny hevitry ny filoha teo aloha. Hatramin’ny voalohany dia efa nilaza iny olona iny fa fanonganampanjakana no niseho teto amin’ny firenena ary tsy maintsy haverina sy hajoro eto ny ara-dalana manaraka ny lalampanorenana. Tsy nisy nanam-po an’iny olona iny ho lasa mpitarika ny ankolafy iray ny mpanara-baovao sy ny ankamaroan’ireo mpanao politika malagasy. Manana fanehoankevitra tena tony sy tsy mitratrevatreva iny olona iny, ary manahirana ireo mpifanandrina aminy ny fahaizany mifehy ny ady hevitra izay hatao. Raha vita ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba dia nanahiran-tsaina ny mpitondra tetezamita ankehitriny ny fihetsik’iny olona iny. Nandritra ny fivezivezeny teto an-tanàna sy ny fitsidiham-paritra nataony dia nigagan’ny rehetra ny arofenitra sy ny fiarovana azy, ary izany dia anisan’ny fototra tena nampiahiahy ny mpitondra ankehitriny satria natahotra ny hosongonan’iny olona iny izy ireo. Somary nahabe ahiahy ny mpiara-mitolona aminy ihany koa ny fomba fijerin’iny olona iny, ka natahorana mihitsy ny fizarazarana tao anatiny tao. Iny olona iny anefa dia nahay nitsinjo hatrany ny mety fizarazarana ka nataony vain-dohan-draharahany ny fihavanana sy ny famoriana ny rehetra mitady ny vaha-olana ho an’ny firenena. Dia miandry isika ary hahita raha tena mpanao politika marina mahafehy ny vanim-potoana iny olona iny , fa tsy tongatonga ho azy sy tsy nampoizina fotsiny. Dadan’i Ranto.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra