lun.
05
avril
2010
Izaho Malagasy…
Malagasy mieritreritra, malagasy hendry, Malagasy mandalina fihavanana, Malagasy tsy tia disadisa, Malagasy tsy tia sahotokotaka, Malagasy be fanajana, Malagasy be fandeferana, Malagasy be tsy miteny … Izany no nihainako hatramin’izao. Izany no maritra nitondrako ny fiainako.
Raha tonga teo amin’ny fitondrana I Tompokolahy Ratsimandrava dia anisan’ireo maro be faly aho, na dia mbola tena tanora aza tamin’izany fotoana izany, fa hoe misy olo-manga, tsotra sy marina hitondra ny tanindrazana. Raha nisy namono izy tamin’ny taona 1975 dia anisan’ireo maro be nalahelo aho fa novonoina ny olom-pirenena ary very ilay kintana nantenaina hitsinjo ny lalan-kizorana.
Raha nandray ny fitondrana I Didier Ratsiraka dia mbola anisan’ireo maro be faly ihany koa aho fa velom-panantenana hoe iny indray no hamaritra ny lalan-kizorana ho fahasoavan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka, indrindra ireo vahoaka madinika. Rehefa nizotra anefa ny taona dia diso fanantenana aho. Hay ny vitsy an’isa ihany no mbola nahazo. Hay ny vitsy an’isa ihany no mbola mitondra, mandidy sy manapaka ho an’ny maro an’isa sy ny madinika. Hay mbola natokana ho an’ny vitsy an’isa ihany ny fahaizana mba hafahan’izy ireo manohy ny fanambakana sy ny famoretana ireo vahoaka madinika maro an’isa. Hay mbola natokana ho an’ireo vitsy an’isa ny fitantanana ny harem-pirenena mba hafahan’izy ireo mameno paosy sy mametraka ny fanandevozana ireo vahoaka madinika maro an’isa.
Raha niseho ny korontana tamin’ny taona 2002 dia anisan’ireo izay mba nalahelo aho fa nifamono ny samy Malagasy. Anisan’ireo faly ihany koa anefa fa mba hisy ny fomba fijery sy fitondrana vaovao. Raha tonga teo amin’ny fitantanana ny firenena I Marc Ravalomanana dia velom-panantenana indray aho fa hoe hanana ny anjara toerany amin’izay ny tena malagsy marina ka ho voatsinjo ny soa ho an’ny tanindrazana sy ho an’ny Malagasy rehetra. Dia faly aho fa be tokoa ny zava-bita. Dia faly tokoa aho fa maro ireo Malagasy tsotra, tsy anisan’ireo vitsy an’isa teo aloha sy tsy tao anatin’ny “élite” zatra nihinana, nefa afaka nitondra ny anjara-birikiny teo amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena. Nalahelo ihany koa anefa fa hay mbola nisy ihany koa ny fitapitaka nataon’ireo vitsy an’isa mba hiarovan’izy ireo ny farim-piainany sy ny fanjanahany ny Malagasy mpiray tannin-drazana aminy.
Teo aho vao tena nijery sy nandinika ary hitako fa hay tsy afaka fa misy foana ireo vitsy an’isa mitady hangoron-karena, mitady hiavaka ka mampisa fomba tsy mendrika, mitady hanjanaka sy hanao fitaovam-piakarana ny mpiray tanin-drazana aminy. Dia hitako fa izy ireo no tena mamehy ny fiainam-pirenena hafahan’izy ireo manao fizarana ny harena. Dia hitako fa rehefa tsy manaiky ny didy sy ny fifampirarahana ataon-drizareo amin’ny fanatanterahana izany asa ratsy izany dia tonga dia voaraoka ary raha tsy hananany fahefana ho roahana dia haratsiany amin’ny fomba rehetra : hanaovana dossiers, lazaina fa mpangalatra, alefa ny tsaho hoe nanodina volam-panjakana, sns … Rizareo amin’izay mijanona ao mbola “madiho”, voky ary feno paosy. Dia nalahelo aho nahita ireny olo-marina nanao ny asany tamim-pahamarinana kanefa dia voadaka toy ny mpangalatra ary tsy maintsy nandefitra satria tsy nanana fahefana.
Raha nasangasanga ny fangatahana ny demokrasia tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 dia anisan’ny ireo faly aho fa hoe na misy aza ny zava-bita dia misy ny zavatra tokony hatsaraina : ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka ary fy fitondrana ny fiainam-pirenena am-pahamarinana sy ho an’ny fitsinjovana ny fahasoavan’ny be sy ny maro. Raha niseho anefa ny korontana, tamin’iny taona 2009 iny ihany, dia nalahelo aho satria mbola adin’ireo vitsy an’isa hatrany foana no tena izy. Saingy teo dia ireo vitsy an’isa rehetra nisesisesy teo hatramin’izay no niditra an-tsehatra ka nanao fitaovana ny vahoaka Malagasy mba hahazoana fitondrana sy hameno paosy.
Raha nandromba ny fahefam-pirenena an-keriny I Andry Rajoelina sy ny firongony dia nalahelo aho satria tafaray ny mpangoron-karena samy hafa fihaviana. Tsy nisy akory vinavinan-kasa niraisan’izy ireo hanatsarana ny firenena sy ny fiainan’ny Malagasy tsy an-kanavaka fa ny mifandika tanteraka amin’izany no tena izy. Ny fitsinjarana ny harenan’I Madagasikara sy ny fomba hahazoan’izy ireo mameno paosy haingana no zava-dehibe. Dia tena latsaka anaty lavaka lalina tanteraka I Madagasikara. Mbola lalina dia lalina noho ny nisy teo hatramin’izay.
Ary ireo vahoaka Malagasy maro be ?
· Ao ireo mivelona amin’ny korontana. Mpikarama an’ady ka faly amin’ny vola kely azo hisakafoanana ny ampitso ary manantena ny tohy izany foana. Tsy nanome tsiny azy ireo aho fa izaho moa Malagasy tsy tia sahotakotaka sy mandalina ny fihavanana.
· Ao ireo efa sahirana amin’ny fitadiavana izay hohanina isan’andro ka tsy manana hery intsony hitakiana ny zo sy ny anjarany. Tsy sahy ihany koa mitaky izany satria tsy manana ny anjara feo ary efa voazanaka. Tsy nanome tsiny azy ireny koa aho satria izaho moa Malagasy tsy tia disadisa sy be fandeferana.
· Ao ireo izay mba mahatakatakatra ny tena marina nefa tsy miteny fa miandry fotsiny izay anjarany na izay pitipitika tavela entina. Tsy nanome tsiny azy ireny koa aho fa izaho moa Malagasy be fandeferana sy be tsy miteny.
· Ao ireo manan-tsaina, mahafantatra ny tena marina sy ny fandehany fa tsy miteny satria tsy manana ny fahefana ary tsy te hampifanandrina hery. Tsy nanome tsiny azy ireny koa aho fa izaho moa Malagasy tsy tia sahotakotaka, mandalina ny fihavanana sy be fandeferana.
Dia nitohy teny ny fiainana. Ny andro lasa volana. Ny volana lasa taona. Tafalentika tany anaty maizina ilay tanindrazako. Voageja ireo vahoaka Malagasy maro an’isa mitovy amiko. Ireo voahitsaky ny vitsy an’isa. Ireo tsy tia disadisa sy tsy tia sahotakotaka. Ireo be tsy miteny. Ireo be fandeferana… Ireo fitaovam-piakarana entin’ny vitsy an’isa hangoronan-karena sy hanitsakitsahana ny maha olona. Niseho ny fanitsakitsahana. Nampiarina ny hery famoretana. Lasa “colonie” tanteraka ny Malagasy. Nahazo fiofanana tsara tany amin’ny mpanjana-tany teo aloha ireo vitsy an’isa tsy nahatanty very fihinanana ka namerina ny fanagejana sy ny fampihohorona ny vahoaka Malagasy mba hanompo azy ireo sy tsy hikitika azy ireo amin’ny asa ratsiny. Dia nalahelo aho…
… Raha tafaresaka tamin’ny namako iray aho dial as tany amin’ny faha 50 taonan’ny fahaleovan-tena ny resaka. Tezitra tampoka aho. Inona izany fahaleovan-tena lazain’ialahy izany hoy aho. Fahaleovan-tenan’ny Malagasy mieritreritra, Malagasy hendry, Malagasy mandalina fihavanana, Malagasy tsy tia disadisa, Malagasy tsy tia sahotokotaka, Malagasy be fanajana, Malagasy be fandeferana, Malagasy be tsy miteny … izany hoe Malagasy vendrana ? Tsy nisy izany fahaleovan-tena izany hatramin’izay hoy aho fa sarin-tsariny fotsiny izany mba hampatoriana ny vahoaka Malagasy ka tsy hahitany fa mbola ny mpanjana-tany taloha sy ireo mpanjana-tany vaovao (ireo vitsy an’isa) no manao ny danin’ny kibony. Tsy fahaleovan-tena hoy aho fa fitaka nentina nanandevozana namitahana sy nanambakana ny maro an’isa : ny tena Malagasy. Tezitra mafy aho.
… Dia tonga saina aho hoe angaha izaho ity mba mety tezitra ? Rehefa nitohy nieritreritra aho tao anatin’ny fahatezerako dia hoy aho tamin’io namako io hoe. Tsy misy intsony ny fankalazana ny fahaleovan-tenan’I Madagasikara ny 26 jiona hoy aho. Mivoady aho fa tsy hankalaza izany intsony. Rehefa tonga ny andro iray hametrahana ambony ny hajan’ny Malagasy tsy an-kanavaka sy hamantarana ny zon’izy ireo eo amin’ny fiainam-pirenena dia izay no andro midika fahafahana hoy aho ary izay ny andro hankalazako ho fahaleovan-tena.
Inona ny vaha olana amin’izao zava-misy izao
Tsy tohin’ilay resaka etsy ambony akory ity fa resaka hafa indray nifanaovako tamin’ilay namako ihany. Nanontaniana aho hoe koa raha mety tezitra ihany izany ialahy dia tokony handeha hiady hanafaka ny Malagasy raha isany ?
Niverina tampoka ho Malagasy mieritreritra indray aho. Malagsy tsy tia sahotakotaka, Malagasy be fandeferana… Izany hoe Malagasy vendrana ? Tsy vendrana akory hoy aho satria koa Malagasy tezitra.
Tsotra hoy aho. Rehefa tsy afaka handray an-tanana ny fiainako aho satria hery tsy mitovy no entiko hanohitra ireo mpanjanaka vaovao dia tokony hanaiky aho ny hilatsahan’ny hery vahiny eto amin’ny tanindrazako mba hamerenana ny rariny sy ny hitsiny. Ny fikambanam-be afrikana no tokony handray anjara amin’izany hoy aho ka raha sahy manohitra izany ireo mpanjana-tany taloha sy ireo vaovao dia miady amin’ny fikambanam-be afrikana izany izy ireo hoy aho.
Miarahaba anao Za Malagasy,
Mankatelina ny foto-pisainana maha malagasy toa anao ny tenako: be fandeferana, mandàla hatrany ny fihavanana, matahotra an'Andriamanitra... Hazomy izany tarigetra vao-janahary izany fa lova sarobidy
ho an'ny taranaka. Ny faharetanao no tena zava-dehibe: manaova ny marina hatrany fa Andriamanitra tsy manary ny vahoakany, ary lozan'izay mampahory azy.
http://menalamba.wordpress.com/2010/04/21/zanakalika-zanakadala-sa-zanampokonolona/
Mba nindramiko kely io articles Izaho Malagasy io fa tiako loatra sy tiko ho vakin'ireo Malagasy rehetra izay manantsaina
dia ahoana ny amin ilay hoe "hambom po pirenena" ?
amiko izany hambom-po izany dia milaza zavatra ratsy(négatif)foana na aiza io na aiza eny fa na hatrany anaty baiboly aza.Koa samia mieritreritra sy mandinika.
Ny tena tanjona tiana hahatongavana amin'ilay lahatsoratra no tsy dia tena mazava loatra amiko!
Hanentana ny malagasy ve? ô! angamba efa betsaka no nanao izany fa mbola tafajanona ho malagasy hendry, tsy tia disadisa, ets.. ihany ramalagasy kely ("malagasy be fivoarana" hoy Randza Zanamihoatra
izay.
Ity fihatsarambelatsihy sy fifampihatsarambelatsihy maharitra misy eto amintsika samy isika ity amiko no tena olana goavana ilàna fanafody haingana!
Tsara ny lahatsoratra ary marina tokoa izany fa na izaho aza mba toa anao koa .....ireo olombitsy ireo ilay tsy maty voalavo an-kibo mpandroba eto amin'ny Firenena ary ny tena olana dia miha mitombo isa izy ireo ankehitriny fa tsy mihena akory.Mino aho fa raha tsy misy maha sahy manao toa an'ilay"Le justicier"isika malagasy tsy ho foana ireo.Rahoviana anefa amin'ity toetra malaza fa be fandeferana,mandala fihavanana,matahotra an'Andriamanitra sns...
Resaka mandany jiro fotsiny ity izy!
Resy Ravalomanana! Izay no izy ny aminy manontolo!
resaka taloha sy ankehitriny tsy mitovy koa ratsimandrava ratsiraka da marcher ariera jany R8sns aza nofisina koa hoano vola raha mbola tsilany ry gasy vovidimbola tsimanankajodamosina gne vovidin i dada o , fa ny gasy endry aza voavidin olo o fa mijoroha da fetseo raha mitontonana hoano de mafatara gne marina kosa tsy ho very i madagascar anao safidy an mahirata , alao baraka pagalabato o ry fokotany presint o hoatrinona de tsimilaza gne marina erak i madagscar 90 pour100 , lasa madohalika i madagascar oo ry fokotany tomponandraikitra o vohaloany
aie tena resy i R8 resy izy f aza mandany andro eo gne retara , sovaly tsimandea ve mbola hilokalokanao eo fa haona ary ity e taraika eo ve iharaka eo ; efa be kosa R8 zay e mieritrereta R8 so de tsijakanao mananjanaka anao aza mba tiakely eo
