lun.

05

avril

2010

Fivoahana amin’ny krizy Hitondra inona ity volana ity ?

Sary avy amin'ny namana

V i t a ny f e t y, i n o n a indray no hitranga hoy ilay tsy manam-pinoana izay? Misosa miandalana ny andro sy ny volana, ary manaraka ny fitsoky ny rivotra ihany koa ny filentehan’ny fiainambahoaka any anaty kizofara. Herintaona mahery izay no nilentehan’i Madagasikara tao anatin’ny tsy fahombiazana, izay andrandrain’ny rehetra, fa ho volan’ny fiovam-panahy sy toetra ity volana Aprily ity. Raha mbola diso famindra amin’ity volana ity isika, dia fahafatesana no miandry ny toe-karena Malagasy, ary fahantrana lalina no hahazo ny vahoaka rehetra. Ny antony, dia mandeha ny ora sy fotoana, ary niarahan’ny rehetra nandre tamin’iny herinandro iny ny fahatongavan’ireo iraka avy any Frantsa nikaro-baha-olana ho an’ny firenena Malagasy. Manatona ihany koa etsy ankilany ny volana mey, izay nanambaran’ny mpitondra ankehitriny hanaovana ny fifidianana. Tsy mbola hay hatreto izay fifidianana hatao, fa raha ny hevitry ny firenena avy any ivelany, dia ny fitsapan-kevibahoaka aloha no hatao mialohan’ny fifidianana depiote. Ny volana jolay ho avy izao no heno fa tokony hanatanterahana izany ? Midika avy hatrany izany, fa voatsipaka indray ilay atrikasa natao teny ivato farany teo, izay nandanian’ireo ampahan’olona vitsy ny hanaovana ny fifidianana depiote mialohan’ny fitsapankevi- bahoaka. Firenena maro no mitsipaka ny fitondrana ankolafy iray ity tetezamita ity, indrindra fa ny fikasana hanao fifidianana samirery. Ny fametrahana fitondrana hiara-mitondra no tanjona hivoahana amin’izao krizy izao, ary midika avy hatrany izany, fa hiarahan’ny rehetra manomana ny fifidianana, mba hadio sy hangarahara. Vita omaly iny ny fetin’ny Paka. Nifaly havanja avokoa ny vahoaka rehetra, maro no be fanahiana sahady amin’ity anio ity. Hilamina ihany ve ity krizy ity, sa vao mainka hihamafy noho ny teo aloha? Ny hita taratra, dia samy mikaroka filaminana avokoa ny rehetra, satria nampilentika ny tanindrazana ny izay nokinasa nandritra izay herintaona izay. Famindra kely tsy am-piheverena, dia hitondra antsika amin’ny sorona tsy hay sitranina mandritra ny taona maro, ary ny fiainambahoaka izay potika nandritra ny krizy izay, ahiana tsy ho tafarina intsony. Isika rehetra no miara-mieritreritra. BasyVava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra