lun.

05

avril

2010

Basy tsy mipoaka, Hivadika hôrera

Tsy hiady izany ny malagasy fa dia ho lany andro izay mitetika hanao izany eto. Ny azo antoka dia ho tezitra amin’ny mpitondra sy ireo mpanohana an-jambany izy.Tsy andrakandrana ny mitondra firenena ary ilàna fahamatorana. Rehefa mikabary sy mandaha-teny ny mpanao politika dia nofinofy sy resaka saro-takarina no resahany. Ampiasaina daholo ny vavabe isankarazany mitondra any amin’ny fifankahalàna sy fifandranitana, ny fampitahorana famonjana sy fisamborana,,,Ireny rehetra ireny dia resaka savoan-danitra sy dinika ambony vavahady fotsiny fa tsy mitsinjo ny tena zava-misy marina. Raha fanjakana tsy mahatsinjo lavitra dia ho sasa-poana amin’ny fampandehanan-draharaha. Ho lany andro mamaha ny olana izay sendra ny masony fotsiny. Fanjakana zatra manilika ny tsy fahombiazana amin’olon-kafa. Hanomboka indray ny fisamborana sy ny fanagadrana ato ho ato noho izy ireo lazaina fa mpanakorontana, mpanimbazimba ny hasin’ny fitiavan- tanindrazana nananan’ireo zoky ray aman-dreny taloha, nanelingelina ny fizotran’ny lanonam-panjakana…ary indrindra mpampihorohoro amin’ny fikasana hanapoaka baomba mba handratrana sy hahafatesana olona maro. Atanjaho ny saina hiatrehana izany. Vahoaka efa trotraka sy vizana koa ve moa hanana hery hiatrehana an’izany e ? Ny fitadiavana isan’andro aza efa mampitrosona azy amin’ny tany. Mandindona ny mety ho fanapahan-kevitry ny firaisambe Eropeana izay mivory any Espana. Mba misy ezaka ve avy amin’ny fanjakana ny amin’izay mety hiseho? Sa dia dony aho ranaotra rehefa kendan’ny natao ? Hivadika hôrera ny vahoaka rehefa leo ny fangejana lava sy ny fampitahorana tsy misy farany, tsy mahita izay ho haniny isan’andro, tsy milamin-tsaina noho ny tsy filaminana, leo ianjadian’ny loza voajanahary mahery vaika. Ny nambolena tsinona tsy naniry, ny nasosoka maty maso, ny kely teo an-tanana voasotasota. Tsy misy mafy tsy nianjera rehefa hivadihan’ny vahoaka e ! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra