lun.

05

avril

2010

Afo mololon’ny ankolafy telo Tsy hita tabilao ny mpitarika

Mandeha ny ramatahora. Misitrika avokoa ny mpitarika ny ankolafy telo, sao voasambotra. Io no tsapa sy hita nandritra ny herinandro lasa teo. Nihoron-koditra ny vahoaka nandre ny tenin’ny Praiminisitra Vital nanambara fa handray ny andraikiny ny fitondrana FAT manoloana ny tranga nampitondra henatra ny fitondrana nandritra ny datin’ny 29 martsa lasa teo. Na eo aza anefa izany, dia mbola mifampitaona ny vahoaka amin’ny antso antariby amin’ny haino amanjery ihany ireto mpitarika ny tolon’ny ankolafy telo ireto. Ny vahoaka etsy ankilany, dia miandry hatrany ilay sioka tokana izay nambara tamin’izy ireo hatao. Tonga tsy tapaka etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny olona, saingy toy ny vahoaka mitsangatsangana no fahitana azy ireo, fa tsy manao ilay andiany maro be toy ny fahita isaky ny hetsi-bahoaka eo amin’io kianja io. Tsy tapaka ihany koa ireo mpitandro filaminana, manara-maso ny ireo mpitolona ireo, ary iny herinandro iny no nandrenesana lakrimozena nipoaka sy olona voasambotra teo. Afomololo ny hetsiky ny ankolafy telo, ary toa miandry ny rivotra hitsoka hampidedaka azy. Hanao ahoana indray ny amin’ity herinandro ity ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra