sam.
03
avril
2010
Aleo atao hoe :< Nationaliste> raha iny olona iny, satria dia ny fireneny no nataony ambonin’ny zava-drehetra. Fikambanana politika tsy mitsahatra maneho ny heviny ihany koa ny fikambanana tarihiny. Efa hatramin’ny ela iny olona iny no nilaza fa tsy tokony ho nankany Maputo sy Addis Abeba izao fitondrana tetezamita izao. Ampy hivelomantsika sy hakàna ny risi-po ho amin’ny fientanana ara-toe-karena malagasy raha ny harena ananan’ity firenena ity, izany hatrany no teny tsy miala eo imolotr’iny olona iny. Entiny mandresy lahatra ny rehetra ihany koa ny fandavany ny fitsabahan’ireo firenena avy any ivelany ny raharahan’ny firenena malagasy. Tsy hita soritra mazava ny tena hevitra voizin’iny olona iny, fa toa maneho hevitra araka ny zava-misy sy ny vanim-potoana fotsiny hatrany izy, ary fanakianana mivaivay sy mahery vaika no ataony. Tsy mankasitraka mivantana izao fanjakana tetezamita misy ankehitriny izao iny olona iny kanefa ihany koa mamporisika hirosoana amin’ny lalana tena malagasy tsy ianteherana amin’ireo firenena vahiny. Raha ny fanamarihana ny 29 martsa teo moa dia efa ela iny olona iny no nandahatra fa tsy ny mpitolona tia tanindrazana malagasy no nanapoaka sy nandrehitra iny tolom-panafahana iny, fa ny mpanjanaka Frantsay ihany. Marina tsy hiadian-kevitra izany hevitra izany kanefa tsy hita soritra hatramin’izao ny hevitra sy tetika avy amin’iny olona iny ka hanovàna amin’izay ny zotran’ny tantara. Asa raha mba manao ahoana loatra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny fikambanan’iny olona iny, satria dia hita ho miady irery. Izy hatrany no miresaka sy manao fanambaràna etsy sy eroa hatramin’izao fa angamba mbola miotrika anaty afo angamba ireo mpanotrona sy solofo dimbin’ny ala? Miandry an’izany ny rehetra fa tsy sanatria ho lasa resa-be fotsiny ny fitiavan’iny olona iny ny fireneny? Dadan’i Ranto