sam.
03
avril
2010
Hampanjakao ny demokrasia. Io no nitakiana ny fiovana teto, ary tokony hampiharina avy hatrany izany manomboka amin’izao tetezamita izao. Fanambarana hentitra nambaran’ny Pasitera Mailhol io momba ny tranga izay iainantsika ankehitriny. Niaingan’ny fanambarany tamin’izany ny fikasana hiroso amin’ny fifidianana ato ho ato. Tsy ho vita amin’ity taona ity izany, raha ny lôjikan’ny lalana no arahina. Voalohany, dia andro vitsy izay no tafapetraka amin’ny toerany ny CENI. Io rafitra io anefa, dia manana telo volana handaminana ny rafitra isan-karazany eny anivon’ny kaominina sy ny distrika ary ny faritra. Midika izany, fa ny volana jona any ho any vao afaka ny hiasa tsara ity rafitra mahaleo tena hisahana ny fifidianana ity. Eto dia efa voadingana ny fikasana hanao fifidianana izay kasaina atao volana mey. Raha miainga amin’io volana Jona io indray, dia miditra amin’ny fanaingana ny mpifidy 60 ka hatramin’ny 90 andro isika. Midika izany, fa any amin’ny volana Septambra vao afaka hanao ny fifidianana fitsapankevi- bahoaka isika. Isika anefa efa nametraka fa tsy azo atao ao anatin’ny fotoan’ny fahavaratra ny fifidianana, izay azo ambara fa any amin’ny taona 2011, vao ho vita ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavam-bahoaka. Ny olana, dia misy mikasa fa tsy maintsy ho vitaina amin’ity taona ity io fifidianana filoham- pirenena sy depiote io. Midika avy hatrany, fa hiroso amin’ny fifidianana depiote ny mpitondra ankehitriny, ary dia ireo no hifidy izay ho filoham-pirenena. Midika avy hatrany fa mpifidy vaventy no kasaina hametraka ny filoham-pirenena eto, izay tsy azo ekena, satria efa nisafidy ny tany handala ny tena demokrasia isika. Ny sazy Tsy tokony hanome sazy ireo ankolafy telo ny eo anivon’ny FAT, hoy Pasitera Mailhol. Ny antony, dia tsy ara-dalana ihany koa ny fanomezan’ny vondrona Afrikana iny sazy iny, satria tsy voalaza ao anatin’ny satan’i Maputo sy ADDIS Abeba ny fanomezana sazy ho an’izay mitsipaka azy. Azon’ny ankolafy telo hampiharina kosa anefa izay tapaka tany amin’ireo firenena ireo, satria tokony hanaraka ny hevitry ny maro an’isa. Toy izany koa ny eo anivon’ny vondrona Afrikana izay tokony hanaiky ny hevitry ny maro an’isa amin’ny fandavana ny sazy, satria ny firenena mikambana sy ny SADC, ary ny OIF dia tsy manaiky io sazy io. Midika izany fa tokony ho ravana io sazy io. Tokony hajaina ihany koa eo ny hevitry ny maro an’isa. Tokony hangataka amin’ny firenena mikambana ireo mpikambana ao amin’ny tetezamita, ny handravana izany, satria tsy ara-dalana koa io. Faminaniana Aza heverina ho adala aho hoy ny Pasitera Mailhol. Tanteraka avokoa izao ny faminaniana rehetra izay nolazaiko hatramin’izay. Ilay isa 77 famantarana amin’ny fiara rehetra an’ny filoha teo aloha Ravalomanana, dia midika zavatra betsaka. Io isa fito io no nambarako fa fito taona ihany no faharetan’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana. Tanteraka iny. Ilay sary famantarana amin’ny “logo” an’ny orisana tiko izay miendrika sarim-boninkazo, dia fito koa ny isan’ireo ravina ireo. Dia ny 17 Martsa no nametra-pialana ny tenany. Nambarako fa hisy filoham-pirenena roa no hitondra eo alohan’ny 2012, ary io efa mitondra io ny iray, ary ho hitantsika eo ny tohiny. Ireo dia faminaniana niseho tamiko avokoa, saingy nambara ho miteniteny foana aho. Ireo famantarana nasehoko momba ny fitondran’ny Profesora Zafy sy Ratsiraka, dia tanteraka avokoa. Ireo no nambaran’ny Pasitera Mailhol momba ny raharaham-pirenena ankehitriny. Raleva zokiny