sam.
03
avril
2010
Andro vitsy izay no nanombohan’ireo gadra politika nandritra ny raharaha 2009 nitokona tsy hihinan-kanina ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Tsy voahaja ny zon’olombelona. Fampidirana am-ponja vonjy maika no nitazomana anay aty am-ponja efa ho herintaona latsaka izay hoy izy ireo, saingy tsy mbola navoaka na notsaraina hatramin’izao. Na izahay mivoaka, na ny kesika hibatana ny fatinay no hitan’ny olona mivoaka aty amin’ny toerana misy anay. Ireo ny isan’ny hafatra nampitain’ny fianakavian’ireo olona migadra noho ny resaka politika nandritra iny taona 2009 iny. Niveri-maina avokoa ireo havan’ny migadra ny alakamisy lasa teo raha nanatitra sakafo teny Tsiafahy. Tsy mila vangiana intsony izahay, fa hiandry izay hiafaranay amin’izao tsy fihinanankanina izao, hoy ny hafatra nampitainy. Ny fahafahana hatrany no heno fa kasain’ireo olona am-polony ireo, ka asa na hahazo izay tadiaviny izy ireo na tsia, fa izay nanao fitokonana tsy hihinan-kanina aloha hatramin’izao, dia nohafahana vonjy maika avokoa. Isan’io ny kesitoran’ny antenimieram-pirenena teo aloha Raharinaivo Andrianatoandro, sy Riribe.
BasyVava