sam.
03
avril
2010
Mazava ny hevitry ry zareo Amerikanina momba ny toe-draharaha politikan’i Madagasikara. Tsy mankato ny governemanta malagasy velively i Etazonia, raha mikiry manatanteraka fifidianana tsy iarahana manomana amin’ny hery hafa rehetra ny FAT. Nametraka mihitsy i Niels Marquardt, masoivohon’i Etazonia, miasa eto Madagasikara fa tsy hankasitraka ary tsy hankato ny governemanta malagasy raha toa ka tsy misy ny fifanatonana eo amin’ny hery rehetra. Tsy manaiky ny fifidianana karakarain’ny FAT samirery i Etazonia. Anisan’ny nivoitra ireo,omaly teny Ambohibao Antehiroka, nandritra ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny ivon-toeran’ny ambasadaoro amerikanina vaovao eto Antananarivo. Miantefa any amin’ireo mpitondra ao anatin’ny FAT izany teniny izany, raha mbola minia mikiry manatanteraka io fifidianana solombavambahoaka samirery io izy. I Niels Marquardt no ambasadaoro voalohany nangataka ny hanaovana fifidianana faran’izay haingana eto amintsika, saingy fifidianana ekena sy ifanarahan’ny rehetra. Izay tsy fankasitrahana ny governemanta malagasy izay dia midika fa hihantona avokoa ny fanampiana rehetra avy amin’i Etazonia, ankoatra ireo miahy ny maha-olona manokana. Ho an’i Etazonia dia ny fiarahana midinika sy ny fifanarahana ihany no vahaolana azo ampiharina ialana amin’izao krizy mahazo an’i Madagasikara izao. Saingy mila ny fifandeferan’ny mpanao politika izany. Anisan’ireo niezaka nanentana ho amin’ny fifanarahana i Etazonia hatramin’izay ary mifandray amin’i Frantsa izy momba izany. Miara-miasa ireo firenena ireo hahatanteraka an’izany, araka ny nambaran’i Niels Marquardt ihany. Mankato ny fifanarahana nosoniavina tany Maputo sy ny tovana tao Addis Abeba i Etazonia ary manentana ireo nanasonia hanaja izany ihany koa. Tsy manakana ireo nanao sonia tsy hanatsara azy anefa izany. Iny no fototra tokony hiaingana ho an’i Etazonia. Tsy midika velively ho fidirana amin’ny raharahan-tokantranon’i Madagasikara ny hisarihan’i Etazonia ireo mpanao politika hiverina hifampidinika an-databatra boribory. Anjaran’ny Malagasy ny mikaroka ny vahaolana fa soso-kevitra ihany no arosony. Any amin’ny FAT izany izao ny baolina. Na izy hiaraka hiverina hidinika indray, ka hankatoavin’ny firaisam-bem-pirenena, na izy hiziriziry amin’ny heviny, ka dia hizaka ny vokany eo.