sam.

03

avril

2010

Fiarahan’ny mpivady: Hafa indray koa ny any anaty ala

Ho lavalava indray ny faran’ny herinandro tsy iasana amin’izao fotoanan’ny paska izao. Ho an’ireo manampahaizana manokana momba ny fitiavana dia azo hararaotina tsara izany fotoam-pialantsasatra izany, hanamafisana ny traikefa sy hitrandrahana zava-baovao ara-pitiavana. Momba i reo toerana indray no horesahantsika anio. Fantatra mantsy fa misy ifandraisany amin’ny fihetsika ataon’ny mpivady rehefa manao firaisana ara-nofo ny toerana safidiany. Amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao ary dia soso-kevitra ho antsika ny hanao an’izany any anaty ala any. Voalaza fa fampanantenana fitiavana ny fanaovana firaisana ara-nofo any anaty ala. Fiainana sy fihetseham-po hafa mihitsy no tsapa. Na dia ny fikasohan’ny faladian-tongotra amin’ny bozaka fotsiny, na amin’ny ravin-kesika maina … dia mitondra ho amin’izany avokoa. Manampy trotraka an’izany ny fanitikitihan’ireny amin’ny vatana. Fizarana fotoana mamy hafa iarahan’ny mpivady ny fanaovana firaisana ara-nofo any anaty ala. Miombona amin’ny zahavoary izy ireo amin’ny fanatanterahana an’izany, sady mahazo hery vao ihany koa. Ho antsika eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia maro azo isafidianana ny toerana azo hanaovana izany. Ho an’ireo tia toerana misy vatovato dia afaka mankeny Ambohimangakely izy ireo. Ho an’ireo tia ala indray dia eo Vontovorona, Mandraka, Ambatomi rahavavy. Ho an’ny tia rano kosa dia eo Manjakandriana, Mantasoa … Ho an’ireo mahazo tombony manokana amin’ny sisin-dranomasina indray dia manome toky azy ireo tsara ny tora-pasika. Manome vahana ny teny mamy sy ny safosafo hafa kokoa, noho ireo ifampizarana any am-pandriana mahazatra ny natiora vantanina tahaka izany. Voalazan’ny mpandinika ihany fa any anaty ala matetika no toerana fivoahan’ny tena aingampanahin’ny mpifankatia. Hafa ny fahatsapana ny taratry ny masoandro amin’ny hoditra sy ny alokaloka ateraky ny hazo amin’ny fihetsika atao. Mila mailo kosa sao misy olona mitazana miafina mangina any ambadimbadika any, saingy tsy hahaloa-peo izy mahita ny fitiavana mamy ifampizarana eo. Koa raha tsy mbola nanandrana niaina izany revy hafa izany ianareo dia fotoana azo anandramana azy tsara amin’izao fotoana faran’ny herinandro lavalava izao. Hararaoty !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra