jeu.
01
avril
2010
Manao ny kaongresy voalohany ankehitriny ny antoko sy fikambanana naorin’iny olona iny, ary dia mametraka ny dian-tanany eo amin’ny tontolon’ny fanaovana politika eto Madagasikara izy. “Tsy fantatro amin’ny antsipiriany akory ny hevitra rehetra tapahina sy hotanterahin’ny fitondrana tetezamita ankehitriny” hoy iny olona iny raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy. Nanaitra ny maro ihany izany resak’iny olona iny izany satria dia filoha lefitr’izao fahefana avon’ny tetezamita izao ny tenany. Mpanao politika nahazo vato be indrindra tao aorian’i Ramose iny olona iny, tamin’ny fifidianana filoham- pirenena farany teo, ary hery lehibe ho azy hiatrehana ny ho avy rehetra izany vokatra azony izany. Tsy nitsahatra naneho ny heviny hatrany iny olona iny nandritra izao fotoan-tsarotra diavin’ny firenena izao, ary mitondra anjara biriky amin’izay ahafahany manao izany. Tsaroana etoana fa iny olona iny dia tsy niraviravy tanana tamin’ny fahavoazana lehibe nanjo an’i Haiti noho ny loza voajanahary nanjo azy, ary dia voasongony noho izany fihetsika maha-te hidera izany ny fanjakana foibe. Miezaka haka sy hanangona hery vaovao indray izany iny olona iny sy ny fikambanana tarihiny mandritra izao kaongresy hataony izao satria dia hovoriany ao daholo izay rehetra mety ho hery velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Azo inoana marimarina fa ny fehin-kevitra hivoaka aorian’io dinika io dia hoentin’iny olona iny handresen- dahatra ny mpiray tanindrazana mba hivoahantsika amin’izao saritaka saro-bahana izao. Mbola tavela any an-tsesin-tany hatraminizao ny dadatoan’iny olona iny sy ny fianakaviany, ary dia tsy ho afaka hiverina eto an-tanindrazana mihitsy raha tsy misy ny fifanarahana politika mazava. Iny olona iny kosa dia tsy afaka mivoaka an’i Madagasikara noho ny sazy mihatra aminy. Dia mifanao tazan-davitra eo izany izy mianaka hatramin’izao? Ka mihetsika izany ianao Debakely a! Dadan’i Ranto