jeu.

01

avril

2010

Safosafon-dehilahy: Mahafinaritra ny eo amin’ny foitra

Tsy voatery ho ny taovampananahana hatrany akory no tolorana safosafo rehefa manao firaisana ara-nofo. Ho an’ny vehivavy ohatra dia manana ny foitrany izy, izay raha hay ny mikitika azy dia mety hitondra azy ho amin’ny fahasambarana faratampony. Toy izao ny momba izany. Amin’iny izy mitsilany tsara, manao izay ahazoany aina iny no hanaovana ny fanafosafoana. Safoina tsotra sy moramora amin’ny tanana aloha ny faritry ny kibony. Somary atao mitehina kokoa amin’izay ny fela-tanana, toy ireny manotra ireny. Ahodina hanaraka ny fihodidin’ny foitra ny rantsan-tanana. Rehefa hita ho miha-mafana ilay vehivavy dia somary atsofoka ho ao anaty foitra ny fanondro adala. Azo atao ihany koa ny mametraka ny fela-tanana roa ho eo ambony kibo. Sady manotra no miezaka manakatra ny foitra izy ireo, hihodidina azy tsikelikely. Afaka ampifanarahana kely amin’ny lela ny asan’ny tanana, ka ny atin’ny foitra no lelafina amin’izany. Misy mihitsy ny vehivavy hetsaka rehefa atao io safosafo io, araka ny fantatra. Samy manana ny toe-batany ny tsirairay. Izay fahafantarana ny zavatra mahafinaritra azy sy tiany izay no tena zava-dehibe, tokony hotrandrahana.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra