jeu.
01
avril
2010
Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo izy. Na dia ao anatin’ny vanimpotoana ahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty aza ny mpino kristianina, dia tsy ny tantarany velively no zaraina amintsika anio, fa ny an’i Alain Germain. Raha ny fitantarany dia efa nodimandry izy indray zoma, volana aprily 1997 ary velona indray ny alatsinainy nanaraka iny. Toy izao ny fitantarany ny zavatra niainany tany an-koatra. Notarihin’ny anjely mpiambina Niasa tamina hotely fisakafoanana iray ao Toamasina i Alain Germain tamin’izany. Tratry ny aretina “neuropalu” izy ary voatery naiditra tao amin’ny hopitalibe any antoerana ihany. Mampijanona ny fo sy mahatonga ny marary tsy hahatsiaro saina, ho tratry ny “coma” ity karazana tazo mahery ity. Torana tsy nahatsiaro saina tokoa i Alain Germain tamin’io zoma io. Notarihin’olona tsy fantapihaviana no fahatsapany ny tenany, tany ankoatra. Manao kaompile manga sy misatroka bonetra volontsokola ity mitarika azy, izay ambarany ho anjely mpiambina. Tazany any amin’ny tontolo hafa ny fianakaviany mitomany azy. Te hifampiresaka amin’izy ireo izy, saingy tsy afaka. Hitany ihany koa ny mpitsabo mpanampy manindrona ny vatany, saingy tsy mandre na inona na inona intsony izy. Fantany avokoa ny eritreritry ny olona rehetra niatrika ny vatany teo ambony fandrian’ny hopitaly. Niteny tamin’ny teny tsy fantatra ilay anjely mpiambina, ka i Alain Germain ihany no mahafantatra izay tiany ambara. Voatahirin’ny vadiny mandraka androany ny teny jiosy, tsy afaka teo am-bavan’i Alain Germain, tamin’io raha ni-delira izy, izay raha adika dia hoe “izaho no hiaraka aminao”, nolazain’ilay anjely mpiambina nitarika azy. Naseho ny fiainana Rehefa izany dia nentina tamina toerana iray izay nahitana karazana fitaovana manara-penitra ara-teknolojia ny tenany, araka ny fitantarany ihany. Misy ny marika XJ 2000 sy ny hoe “capacité mémorielle infinie” avokoa ireto fitaovana. Toy ny nakana zavatra kely tao amin’ny ati-dohany, nalefa tamin’ilay fitaovana famakiana horonan-tsary ary dia niseho teo avokoa ny tantaram-piainany rehetra, nanomboka hatramin’ny faha-valo taonany. Voafaritra teo ihany koa ny daty rehetra ary fantatra ihany koa ny tao an’eritreritra rehetra, izay voamarika amin’ny teboka mainty sy mena. Nivadika tamina toerana toy ny lozoka mainty tsy fantatra indray no nitondrana an’i Alain Germain. Nilaza taminy ny anjely ny amin’ny tsy tokony hivilianany mihitsy. Niara-dalana tamin’ny olona maro izy teny an-dalana, ka rehefa tonga teny amin’ny fivoahana, izay misy zavatra manjelanjelatra be, dia tsy hita intsony ny nalehan’ireo olona hafa. Mitondra hafatra Nisy anjely nilaza taminy ireto zavatra manaraka ireto, dia ny amin’ny bokin’ny fiainana, ny fiantsoana hampianatra ary ny fiainany manokana. Momba ny bokin’ny fiainana dia nilaza i Alain Germain fa hamaivanin’ny olona izy io, nefa amantarana ny fiainan’ny olona sy ahazoana mamonjy azy. Momba ny fiantsoana azy hampianatra indray dia nolazainy fa efa ela no tokony hanao izany izy, saingy nanda hatrany. Nandalo fisedrana maro ny tenany raha nanao karazana asa hafa vao tapakevitra nampianatra. Mikasika ny fiainany manokana kosa dia tokony handeha hamita iraka any Afrika Atsimo izy, araka ny voalazany. Momba an’i Madagasikara sy izao tontolo izao no voalaza fa faminaniana handehanany any, saingy tsy mbola tontosany hatramin’izao. Hitany nandritra izao diany tany ankoatra izao ihany koa ny anabaviny izay efa maty tamin’ny taona 1973 ary nilaza taminy fa tokony hiverina ety an-tany izy, satria mila azy ny ety. Faminaniana zavatra ratsy Toy ireny jiro pihina ireny, hoy i Alain Germain, dia niverina tety an-tany izy. Teo ambony fandrianan’ny hopitaly. Efa nitomany azy avokoa ny fianakaviany, satria hoe efa tsy izy intsony, nefa dia velona soa aman-tsara indray. Very tadidy izy taorian’io diany tany ankoatra io, ka herinandro taty aoriana vao niverina ny sainy, rehefa avy nihinana fanafody. Mahafantatra ny ho avin’ny olona eo amin’ny manodidina azy i Alain Germain, saingy karazana faminaniana zavatra ratsy avokoa ny ankamaroany, ka tsy sahiny lazaina amin’ny olona. Fantatra ihany koa fa mankafy mamaky ireny boky sy tahirin-kevitra momba ny fanaovana mazia sy ny misiteriny ireny izy, hatry ny fony kely. Ny hafany ho antsika dia hoe mifandray hatrany ny eritreritra sy ny fihetsika sy ny teny aloaky ny vava. Misy akony amin’ny fiainana any aoriana avokoa ny zavatra atao rehetra ary fototry ny fahotana ny eritreritra ka tsy tokony hofenoina zavatra ratsy.
Nanangona : Harimbola M.