jeu.
01
avril
2010
Taitra ny fitondrana tetezamita. “Hisokatra ny fanadihadiana momba ny tranga tamin’ny 29 martsa lasa teo teny Ambohijatovo. Io no nambaran’ny Praiministra Vi tal ny talata lasa teo. Fanjakana tan-dalana isika hoy ny Praiministra, ka tsy midika ho baranahiny ny demokrasia. Mbola nambarany fa very hasina sy haja ireo ray aman-dreny. « Na iza mpitondra teto, dia samy nanamarika ny datin’ny 29 martsa avokoa hoy ihany ny Praiministra. Hiroso amin’ny famotorana izahay, ary anjaran’ny Polisy sy zandary ny mikaroka ny marina tamin’iny tranga iny”. Isan’ny nahatsiaro nitondra henatra tamin’iny raharaha iny ny fitondrana ankehitriny, ary rariny, raha mandray fepetra tandrify azy izy ireo. » Mety hisy ve ny fisamborana olona izay heverina fa nitarika iny filaharana fanateram- bonkazo teny amin’ny tsangambaton’Ambohijatovo iny ? Io avy hatrany no tonga an-tsain’ny maro omaly, raha niparitaka tamin’ny fampahalalam- baovao maro teto an-drenivohitra ny momba izay fandraisana fepetra izay. Toa tsy nahataitra ny maro anefa io fepetra io, satria efa faheno matetika izany teny izany, hoy ny feo teny andalambe rehetra teny. Misy fery tsy mety sitrana ao matoa mitranga hatrany ny korontana sy herisetra eto amintsika. Homamiadana mora sitranina anefa io, satria aty amintsika ihany ny fanafody. Tsy nitranga ny toy ireny, raha nahay nifanaja ny rehetra. Isan’io ny fanomezana alalana tsy narahin-dromoromo ny hafa hanao ilay fanateram-boninkazo. Ny fahaiza-mihaino eo amin’ny samy mpanao politika dia tokony hitoetra, satria raha tsy mitandrina, dia ahiana ny ady an-trano eo amin’ny samy sivily. Mbola tsy zakan’ny maro ny fitantanan’ny fitondrana ankehitriny samirery. Ny fiverenana amin’ny fifanarahana vita sonia tany Maputo sy Addis Abeba ihany no lalan-tokana hivoahana amin’izao krizy izao. Sorona hatrany Raha ny tsapa, dia io fiziriziriana amin’ny lalan-toakana io no mampilentika lalina ny firenena. Mety hisy hihevitra fa efa milamina ny tany, satria voasakana avokoa ny toerana ahafahana manao fihetsiketsehana rehetra eto an-drenivohitra. Mety ho marina izany, saingy ilay herin’ny fahanginana no tsy laitra. Midika io, fa raha vao misy hatrany hirika ahafahan’ny olona haneho hevitra, dia asehony toy ilay nitranga teny Ambohijatovo ny alatsinainy lasa teo. Mitazana antsika izao tontolo izao, ary ny tranga toy izay hita ny andron’ny 29 martsa lasa teo, dia hitarafana fa misy raha tsy milamina ao. Dia hiaiky ny firenena maro, fa tsy milamina ny eto, ary hajao ny fifanarahana hivoahana amin’izao tany tsy milamina izao. Ny mifanohitra amin’izany, dia ny fanamafisana ny sazy no hitranga, ary dia ho lasa sorona hatrany ny vahoaka sy ny tanindrazana. Isika rehetra no samy maka lesona tamin’iny raharaha iny. Basy Vava