jeu.

01

avril

2010

Iraka nalefan’I Frantsa: Alain Joyandet Hamaha olana sa hampikatso ?

Sary nakambana

Nandalo teto Antananarivo omaly alarobia Atoa isany Alain Joyandet, Sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa sy ny Frankofonia, sy ingahy André Parant mpanolo-tsainan’ny filohan’ny Repoblika frantsay momba ny raharaha afrikana. Ny hitondra ny soso-kevitry ny fitondrana frantsay ho famahana ny krizy politika eto Madagasikara no anton-dian’ireto iraka ireto teto amintsika, taorian’ny nitsipahan’I Andry Rajoelina ny fifanarahana niarahany nanao sonia tamin’ireo filohan’ny ankolafin-kery telo tany Maputo sy Addis Abeba. Nihaona tamin’ny filohan’ny FAT tetsy Ambohitsorohitra ireto iraka frantsay ireto, ary nifandimby nihaona ihany koa tamin’Atoa Zafy Albert, sy ny praiministry ny Fat, Camille Vital. Tsy nisy resaka mazava nivoaka firy nandritra ity fitsidihana ity fa araka ny fanambarana avy tamin’ny Masoivoho frantsay, dia “mihevitra I Frantsa fa mbola tsy tapitra fa tokony hisy ny fifampidinihan’ny samy Malagasy, taorian’ny filatsahan’ny sazy avy amin’ny Vondrona Afrikana”. “Mba hihoarana ireo sakana farany amin’ny fivoahana amin’ny krizy, izay tohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, dia mamporisika hatrany ary manohana ny ezaka fanelanelanana ataon’ireo mpiombon’antoka iraisam-pirenena I Frantsa. Tafiditra indrindra ao anatin’izany izao iraka ataon’Atoa Alain Joyandet izao”. “Ny fanomanana sy fanatanterahana fifidianana marina sy eken’ny rehetra haingana araka izay azo atao no hany fanalahidy ivoahana amin’ny krizy”. Etsy ankilany kosa ny fanambarana avy amin’ny fiadidiana ny filohan’ny FAT dia tsy nilaza mihitsy izay votoatin’ny resaka nataon’ireto iraka frantsay ireto tamin’I Andry Rajoelina fa nitanisa fotsiny ny efa re hatramin’izay dia “ny hanatanteraka fifidianana haingana ka fifidianana solombavam-bahoaka ho Antenimieram-panorenana, araka ny atrikasa natao tetsy Ivato ny 5 martsa lasa teo mandra-pametrahana ny Repoblika fahaefatra”.“Ny hikarakarana izany fifidianana izany no anton’ny nananganana ny CENI hiantoka io fifidianana io ho marina sy mangarahara no sady hamaritra ny datim-pifidianana, mba tsy hilazana fa fanapahan-keviny samirery ny hanaovana azy”. Dia mampieritreritra hoe, nahoana no tsy navoaka tamin’ilay fanambarana ny resaka nataon’ireto iraka frantsay ireto ? Tsy nisy vaovao re kosa momba ny fihaonan’ireto iraka frantsay ireto tamin’ingahy Zafy Albert. Raha ny feo re etsy sy eroa na an-gazety manodidina iny fandalovan’ireto iraka frantsay ireto kosa dia ao ny milaza fa “manjavozavo tsy fantatra loatra ny tian-dry zareo ambara momba ny hoe fanomanana fifidianana haingana sy eken’ny rehetra no vahaolana”. Tsy voafaritra mazava mantsy ny hoe fitsapan-kevi-bahoaka sa fifidianana filohan’ny Repoblika sa io fifidianana solombavam-bahoaka kasain-dRajoelina Andry hatao io no tian’izy ireo ambara ? Ny gazety sasany indray milaza fa “ny fanafoanana ilay fifidianana depiote hananganana Antenimieram-panorenana neverin’ny Fat hatao, ka ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka handaniana Lalam-panorenana vaovao amin’ny volana jolay 2010 no tolo-kevitra naroson’ny Frantsay, ary aorian’izany dia hatao ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hajoro haingana koa ny governemantan’ny firaisam-pirenena mialoha izany, satria ny 31 desambra no tokony hifarana ny fitondrana tetezamita”. Ny alarobia alina teo ihany moa dia efa nandao an’I Madagasikara ireto iraka manokan’I Frantsa ireto, ary nandalo atsy Afrika atsimo ny dian’izy ireo. Tombanan’ny mpanara-baovao fa ny hihaona amin’Atoa Ravalomanana Marc no antony handalovan’izy ireo any. Re mantsy fa anisan’ny paika hanohizana ny fanelanelanana hikatsaham-bahaolana amin’izao krizy izao ihany koa ny hampihaonana manokana ny filoha Ravalomanana Marc sy I Andry Rajoelina, ary mbola ireo mpanelanelana avy ao amin’ny GIC tarihin’Atoa Chissano no hampihaona azy ireo, saingy mbola tsy fantatra ny toerana sy ny fotoana hanatanterahana izany. BasyVava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra