jeu.

01

avril

2010

Ny Senatera Naika Eliane nanatrika ny fivoriambe faha-19-n’ny ACP UE Hanasazy ireo mpitondra FAT koa ?

Na dia tsy eto an-tanindrazana manohy ny hetsi-panoherana ataon’ny vahoaka mpiaro sy mitaky ny hiverenan’ny ara-dalàna aza ny Senatera Naika Eliane, dia mandray anjara amin’ny ezaka rehetra ary mampahafantatra ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara amin’ireo sampan-draharaha iraisam-pirenena samihafa any Eropa any izy hatramin’ny fotoana nahatongavany tany. Nisy fihaonany tamin’ny mpanao gazety mandritra izao fivoriambe faha-19-n’ny parlemantan’ny Vondrona Eropeana sy ny vondrona Afriques Caraïbes et Pacifique (ACP) any Ténériffe, Espagne izao ka nilazany fa « efa nahitam-bokany ny fivoriambe faha-18-nn’ny parlementera ACP UE natao tany Luanda, satria anisan’ny fanapahan-kevitra nolanian’ireo parlemantera tamin’izany nangatahana ny ampiharana sazy isambatan’olona amin’ireo izay manakantsakana ny fivoahana amin’ny krizy politika malagasy ». Anisan’ireo manatrika ity fivoriambe faha-19, nanomboka ny 29 martsa ka hatramin’ny 1 aprily 2010, ity Rtoa Naike Eliane, ary fantatra, araka ny nambarany fa “noho ny andraikitra noraisina eo anivon’ny filohan’ny Vondrona Eropeana dia tafiditra ho isan’ny fandaharam-potoana hodinihina mandritra ny vaomiera (filan-kevitra) ny raharaham-bahinin’ity vondrona ity amin’ity volana aprily ity ny handraisan’ireo parlementera fanapahan-kevitra hampiharan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vondrona Eropeana sazy mitovy amin’izay nampiharin’ny Vondrona Afrikana amin’ireo mpitondra FAT. Anisan’ireo firenena 27 mpikambana ao anatiny i Frantsa, ka tokony hampitovy fijery amin’izany ”. Heverin’ity Senatera Malagasy ity noho izany fa mandroso araka ny niheverana azy ny raharaha, ho famahana ny krizy politika sy hiverenana amin’ny ara-dalàna. Tsy nohadinoiny kosa anefa ny nandefa hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy, satria mbola manohy manao ny fihetsiketsehana manohitra ny fanjakana tsy ara-dalàna mitondra ankehitriny hatrany na dia eo aza ny famoretana sy ny fisamborana. Tsy latsak’izany koa fa manohy ny asa rehetra mifanandrify amin’io fitakiana aty Madagasikara io ry zareo any Eropa any ary tsy manaiky lembenana.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra