jeu.

01

avril

2010

Federasiona malagasy taranja baolina kitra

Hifampitana i Ahmad sy Raoul Mikenonkenona mafy ny eo anivon’ny Federasiona Malagasy taranja baolina kitra, indrindra fa ny kaomisiona manokana misahana ny fifidianana amin’ny fikarakarana ny fanavaozana ny komity mpitantana azy. Any Fianaratsoa ny 3 mey ho avy izao moa no hanaovana azy io. Hanana solontena roa avy ny ligy 22 misy eto Madagasikara mba hanatrika izao fivoriambe ara-potoana ho an’ny fifidianana izao. Ny iray amin’ireo ihany anefa no hanana zo handrotsa-bato. Biletà tokana (bulletin unique) izay efa misy ny anarana sy sarin’ireo olona hofidiana no hampiasaina, ka asiana marika fotsiny izay safidian’ny mpifidy. Kandida no hifaninana ho eo amin’ny toeran’ny filoha, ahitana ny filoha amperin’asa, Ahmad, Benony Jacques izay efa filohan’ny FMF teo aloha ihany, Rabekoto Arizaka Raoul filohan’ny klioban’ny CNaPS, Ramiarinarivo Maminirina efa filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Célin efa sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fanatanjahantena ary Amade Joseph. Miisa 41 be izao kosa ireo olona nirotsaka hofidiana handrafitra ny komity mpitantana, ahitana ireo nirotsaka ho filoha sasany toa an-dRakotomalala Célin, Amade Joseph, Ramiarinarivo Maminirina ary ireo efa tao anatin’ny komity mpitantana ahitana an’i Doda Andriamiasasoa, S o l o f o s o n Ma g l o i r e , El iezard, Rakotomanga A n d r i a m a h a n d r y , Andriamalazaony Aurélien, Razafindrakoto Bruno Charles ary koa ireo mpilalao fahiny toa an-dRado Rasoanaivo, Andrianasy Nivoson Mickael sy mpanao fanatanjahantena fahiny toa an-dRasolomalala Isidore. Ahitana mpanao politika mpikambana eo anivon’ny HAT ihany koa ao toa an-dRasolosoa Dolin, mpilalaon’ny Saint Michel fahiny. Toerana 10 sisa no hiadiana amin’izany, ankoatra ny filoha sy ny tale teknika nasionaly izay anjaran’ny komity mpitantana lany eo ny hametraka azy. Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra