jeu.

25

mars

2010

Ry vazaha mainty

Nahariharin’iny olona iny fa ny firosoana amin’ny fififdianana ihany no vahaolana eto Madagasikara. Neken’iny olona iny fa fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pilaminan’ny firaisam-be Afrikana ny nanasaziana ny mpitondra malagasy ankehitriny, ary nasongadiny koa anefa fa tsy maintsy hisy ny fizaran-kevitra samihafa manoloana ny fanapahankevitra toy ireny. Tsy ny sazy tsy akory no hamaha izao olana izao raha ny hevitr’iny olona iny, fa ny fanampiana ny fitondrana tetezamita efa mijoro sy mitondra ao Madagasikara ao hiroso tsikelikely amin’ny dinika handraisan’ny rehetra anjara sy hirosoana marina amin’ny fifidianana ho eken’ny firaisam-be iraisam-pirenena ary indrindra tsy hampifanolana intsony ireo mpifanandrina mivantana na ankolaka amin’ireo mpanao politika malagasy. Adala kosa aloha izay tsy hitehaka sy hankasitraka izany teny feno fahendrena sy fahamatorana izany e. Manam-pahaizana manokana sy avo dia avo amin’ny tenin’i Moliére iny olona iny ary dia mikoriana any anaty ràny mihitsy izany. Efa filohan’ny Répoblika tao Afrika avaratra andrefana tao ihany koa iny olona iny ary ankehitriny izy dia sekretera jeneralin’ilay vondrona iraisam-pirenena mampiasa ny tenin’ny Frantsay. Na izany toerana misy azy izany fotsiny ihany aza, dia azo inoana fa tsy iny olona iny no hiteniteny foana sy hivolana imason’izao tontolo izao ka hanala baraka ny fikambanana tarihiny, na koa hanao rediredy tsy hita fototra. Fa mba misy mihaino sy mandalina ve anefa ny hevitr’iny olona iny ? Toa hifampisintonana indray mantsy ny hevitra voalazany ka samy mandrirotra any amin’ny tombony ho azy manokana indray ny voakasik’izany mivantana. Na izany kosa aza dia tsy azo odian-tsy hita fa misy hevitra kifonofono ny resak’iny olona iny ka tsy azo hanina am-bolony fotsiny. Diplomaty fanta-daza iny olona iny ka hainy tsara ny maneho ilay fihatsaram-belatsihy tsy hanafintohina ny hafa. Izany toetra izany dia notahafiny amin’ny maha-vazaha efa niaina sivilizasiona mivoatra manaraka ny toetr’andro azy...Tadidio koa fa misy toetra iraisana ny mponina aty amin’ny faritra Afrika mainty. Rahoviana tokoa re iny olona iny no mba hiresaka mazava ny tena heviny ka tsy haha-bolokim-bazaha azy e ! Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra