mar.
30
mars
2010
Samy manana ny finoany ny olona tsirairay. Misy ireo mino ny fisian’ny vintana sy ny anjara. Fantatra ihany koa ny mahakasika ny “horoscope” sy ny tontolony. Ho an’ny manam-pahaizana dia azo ampifandraisina tsara ny “signe” tsirairay sy ny fiainana ara-pananahana. Fantaro ary fa olon’ny saina kokoa ireo olona manana “signe” “gémeaux”, “verseau” ary “lion” fa tsy olon’ny vatana. Mifanohitra amin’izay ny “belier”, “taureau”, “scorpion”, “balance”, sagittaire”, izay samy mafana eo amin’io lafiny anankiray io. Saingy misy ihany ny fahasamihafana. Olona mafana hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany ny “bélier ”. Kalaza amin’ny fitiavana izay mety misy ifandraisany amin’ny rano ny “scorpion”, miovaova arakaraka ny fihetsehampony. Mahatanty tsara ny zavatra rehetra miainga eo kosa ny “taureau”. Havanana amin’ny fahaizana manintona ny “balance”. Sarotiny tanteraka ihany koa iz y amin’ny pitsopitson-javatra isan-karazany. Entanim-pitiavana kosa ny « sagittaire » vao mahavita manao firaisana ara-nofo, saingy tia mifehy sy mametraka ny fahefany izy eo amin’ io lafiny io. Mahay manambitamby indray ny « cancer », sady baikoan’ny fony, saingy tia miovaova. Ny “poisson” kosa dia malaza ho mpanonofy ary vonona hiaina sy hampihatra izany hatramin’ny farany, indrindra fa ny andriambavilanitra. Somary miavaka amin’ireo rehetra ireo ny “capricorne”. Talentany ny manafina ny tena zavatra iainany sy tsapany, na dia efa tonga hatrany amin’ny faratampony aza ny fahafinaretany sy ny faniriany.
fa ny vierge to tsy voateny mihitsy sa sady tsy atsy no tsy aroa
hita oa, mba aiza ho aiza zahay vierge eto?
marina zany aiza ny anjaranay ô
tena tiko e!
