mar.
30
mars
2010
Niezaka nivoaka ny faritry ny renivohitra ireny olona ireny ka nanentana ireo mpino marobe ny mba hijoroany hikatsaka hatrany ny fahamarinana sy tsy hanaiky lembenana amin’izay fijoroana amin’ny marina izay. Ireny olona ireny tokoa sisa no afaka mba mitondra ny fanentanana sy ny heviny ho amin’ireo mpanara-dia azy. Fanentanana amin’ny alalan’ny soratra masina no nataon’ireny olona ireny ka nahafahany nahavory olona marobe mba hanara-dia azy, ary efa fanindiminy amin’ny hetsika nataony ity natao tany ivelan’ny renivohitra ity. Milendalenda ny fahavorian’ny vahoaka marobe manodidina ireny olona ireny mihitsy anie ny mpanao politika sasany e ! ary ao indray no toran-kovitra mahita ireto vahoaka mangorom-potsy liana amin’ny hevitra atosak’ireny olona ireny. Fitaintainana lavareny anefa no mitatao an-dohan’ireny olona ireny noho ny tahotra ho voasambotra. Velontaraina izy ireo fa iharan’ny filàm-baniny hatrany isaky izay miteny. Tsy hanaiky lembenana amin’izay fanehoan- kevitr’ireny olona ireny raha ny fanjakàna. Efa voarahona mihitsy aza fa raha hifanarahana indray fa eny ankalamanjana no tiany hampianarana ny tenin’i Tompo dia hakatona ireo fiangonana marobe efa najoro. Ombalahy be vozona anefa ireny olona ireny ka tsy mifidy tany iadiana fa na an-tanety na an-kalamanjana eny na hatrany an-danitra aza dia efa nanokan-tena ho amin’izany. Ireny olona ireny tokoa ve moa dia tsy mivoy hevitra politika mihitsy e? Ary moa ve fahotany ny hidradradradra sy mimenomenona ka hanaovany fitakiana politika? Mety ho lasa fahavalon’Andriananahary anie izany izay manenjika ireny Apostoly politika ireny e! Ny ahiana dia ny mety hisandan’ny olona (sasany, mety ho marobe) an’ireny olona ireny an’i Barabasy, aza misy anie izany.! Dadan’I Ranto.