mar.

30

mars

2010

1947-2010: Mbola mitoetra ny farasisan’ny Sônagaly

Ny tantara tsy fanadino...

T s y m a n d à b a i k o . Nampihoron-koditra ny maro mihitsy ny nandre ny tantara tany aloha, momba ny tsy fandavan’ny miaramila senegaly, baiko amin’izay hampanaovina azy. Nampitondra takaitra ny maro izany, ary lasa fomba fiteny hatramin’izao, ny hoe “Senegaly mahazo baiko iny”. Raha mahita ny rivompiaraha- monina ankehitriny isika, dia maro ny mpanaradrenirano, ary tsy mahalala ny rano hirobohany. Izay ahitana tombontsoan’ny tena manokana no masaka ao an-dohany, ary ny foto-kevitra nijoroany hatramin’izay, nivadihany tao anatin’ny fotoana fohy. Vitsy ireo antoko nitazona ny tena foto-kevitra nisy azy, toy ny Monima, Akfm, Mfm, Psd. Ireo antoko tato afara kosa dia ny anaran-tsy very sisa, fa ny mpikambana ao anatiny maka lokon’ny mpitondra misy eto. Tsy ho gaga isika raha nivadika ho UNDD avokoa ny arema tamin’ny taona 1992. Naka fofona kely tao amin’ny AVI, saingy tsy naharitra satria resy io antoko io nandritra ny fifidianana. Avy eo lasa arema indray rehefa tafaverina ny amiraly Ratsiraka. Dia lasa TIM indray raha nahazo fahefana Ravalomanana, ary maro no naka loko TGV ankehitriny, satria mitondra i Andry Rajoelina. Maro ny sehatra nomena baiko nandritra ireo fitondrana ireo, ka zary tsy voahaja intsony ny zon’olombelona. Ny fanagadrana, ny famindran- toerana tsy amin’antony atao amin’ireo mpiasam-panjakana. Ireny ampahan-dresaka voalaza eto ireny, dia mbola tarazon’ny politika maloto, ary ireo mpanatanteraka baiko, moa tsy tarazon’ny Sônagaly mahaizo baiko va ireny ?

Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra