mar.
30
mars
2010
Tsy mampihomehy, fa mahatsikaiky! Bekotro maroholatra nafana fo tamin’ny tolon’ny Malagasy nandritra ny 29 marsta 1947 ity zoky be ity, izay tsy ho lazainay eto ny anarany. Efa mananika ny 85 taona ny fijery azy, ary na dia osa aza ny fahitana azy ety ivelany, dia mbola mitana kosa araka ny fomba fiteny. Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany, nandritra ny dimy taona nifanesy izay ny tsy nahafaty azy nandritra ny tolona, dia toy izao no nambarany. Ny taona 2005 no nahitan’ny rehetra fa hafahafa ny famaliany ny fanontaniana. Ny tsy nahafaty azy hono nandritra ny taona 1947 ireny, dia tao anaty lamasinina tao Moramanga izy. Rehefa velona ny fitifirana ireo Malagasy tao anatin’io lamasinina io, dia voatsindrin’ny faty tao no tsy nahafaty azy. Rehefa notaomina halevina ireo razana maro be, dia teo no naha-tafatsoaka azy. Ny taona 2006 indray, dia mbola nisy mpanao gazety hafa nanontany azy, ka nilaza izy, fa ny tsy nahafaty azy, dia tany Manakara ny tenany, ary nasain’ny vazaha nihady lavaka be ny Malagasy handevenana velona azy ireo. Raha mbola tsy nipoaka ny basy hoy ity zoky be ity, dia efa nilatsaka tao anaty lavaka ny tenany, ary tsy voan’ny bala. Ny taona 2007 indray, dia nambarany, fa nirahin’ny ray aman-dreniny niafina tany Ambanivolo ny tenany, ka tsy hitan’ny mpanjanantany. Ny 2008, dia voalaza fa tany Toamasina ny tenany, ary isan’ireo Malagasy afa-nandositra niakatra taty an-drenivohitra. Ny omaly 29 martsa indray, dia nanambara izy fa niafina tao anaty lava-bary, ary ny tranony teo ambony fotsiny no may, ary izy isan’ireo avotra? Mahafinaritra ery ny mandre ireo tolona nataon’olona iray, nandritra ny 29 marsta indray mandeha tamin’ny 1947 e. Ianao no mandinika sy mitsara azy.