mar.
30
mars
2010
Tsy manaiky lembenana ny ankamaroan’ny Malagasy mpiray tanindrazana. Ilaina ny fitakiana ny rariny sy ny hitsiny hanjaka eo amin’ny firenena, eny na dia hamoizany ny ainy aza. Isan’ny nahitana Malagasy maty betsaka ny tolona natao tamin’ny taona 1947 izay vao notsarovana omaly. Sentom-pahoriana no mby tonga ao an-tsaina raha mandre ny fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo malagasy mahery fo nitolona ho an’ny fahafahana tamin’izany. Maro no maty, ary mbola betsaka ireo velona. Tsy hidirana lalina anio ny tambiny tokony ho azon’ny tsirairay nandritra izany tolona izany, fa ny hita, dia tsy mifanaraka amin’ny tanjona napetraka tamin’izany no hita ankehitriny. Teo ny nahazoana ny fahaleovan-tena madio mangarahara. Izany ve no misy amin’izao fotoana iainantsika izao? Nesorina teo ampelan- tananan’ny vahiny ny fahefana, ary noezahina mba ny Malagasy amin’izay no tompon’ny fahefana amin’ny taniny, saingy ny mampalahelo, dia anarana fotsiny ny fahaleovantena, fa mbola maro ny vahiny manjakazaka eto. Tsy midika akory izany fa tokony hitoka-monina isika, fa ny fisokafana eo anivon’izao tontolo izao no tanjona tokony hipetraka, satria tsy mbola mahavita tena isika. Raha hitodihana ny tolona niainga tamin’ny taona 1947, dia maro no maty, ary betsaka no nigadra. Mbola misy ny mitondra takaitra hatramin’izao. Raha ny tolona natao teto hatramin’izay izany, dia misy foana ny maty, ary maro no nogadraina. Raha ny tranga niainana teto, tao anatin’ny folo taona monja, dia nitomandavana ny olona nosamborina niakatra fitsarana, ary nampidirina am-ponja. Io mitohy hatramin’izao io. Vokatry ny tsy fitovian-kevitra eo amin’izay nahazo fanjakana sy ny mpanohitra hatrany anefa ireo. Midika izany, fa ny voahongana tsy mahazaka very seza, ary ny mpitondra tampohin’ny nahazo fitondrana, ka ny tahotry hiongana no betsaka. Isaky ny misy rivotra politika mitsoaka eto, dia efa mirangaranga hatrany ny fonja sy ny ra mety ho latsaka. Fiovana hatrany anefa no nitolomana, ary tsy handemy ny fitiavantanindrazana miotrika ao am-pon’ny Malagasy ny basy aman-tafondro. Porofon’izany ny mbola hahatsiarovana hatrany ny ra nalatsak’ireo Malagasy nandritra ny tolona ho an’ny tanindrazana ny 29 marsta 1947. Tia mitolona ny Malagasy, saingy ny nampiavaka ny tranga teo aloha sy ny ankehitriny, dia ny vazaha no namono ny Malagasy, ary tamin’ity kosa ny Malagasy samy Malagasy tamin’i zany no mifamono sy mifampisambotra, ary managadra. BasyVava
Tiako ity lahatsoratra ity !Sambany aho mba namaky ka hitako sy tsapako fa milaza sy mitantara ny tena marina nitranga(amin'ny fomba fijeriko azy manokana koa izay mety ho diso ho an'ny hafa rahateo)...Tiako ilay famintinana ny tena tantara manodidina ny tranga any an-toerana amin'izao korontana ,tsy vokatry ny antoko iray fa koa ny antoko hafa sondriana miady seza sy mikatsaka ny ahazo toerana !izany dia noho ny fitiavan-tena fa tsy fitandroana ny soa ho an'ny Firenenana !Ahoana tokoa moa no aha-sambatra nefa ireo mpitondra nantenaina ,taona maro nifanesisesy izay toa mirona any an-kafa be be kokoa ny sainy noho ny fikatsahana ny tena tokony ho ilaina ?
Izaho mahita fa mihezaka ny tsyhhomba ny atsy na nyaroa ny mpanoratra noho izany dia raha misy aza mizana tsindrian'ilay dia ny eo ampovoany foany no asesiny.
Tena tsara tokoa ity lahatsoratra ity fa izy fo miara-manosika ny andaniny sy ny ankilany dia mampatsiahy ahy loatra ny fanovan'ireo frantsay (mpanao gazety, mpanao politika) ny tolona misy aty @
tany afrikanina ary indrindra eto oM/kara dia ny hoa adin'olon-droa ireo ary samy diso daholo ry zareo. izay fijery tsy mba napetraka teo @ hery anakvavana sy hery ankavia any frantsa. Faharoa dia
hilazana ankolaka ny afrikanina ,ary eto dia ny Malagasy dia tsy dia maranitra tsara ka miady......
Ny tena hadino ireo frantsay sy izay maka tahaka ny fisainany anefs dia ny hoe "ny fireneko izao mifoha". Mahafantatra tsara izahay fa ny frantsay hatrany no ambadiky ny korotana eto , na izy no
toerina(1972, 2002) Na izy no manohitra ny fitondrana misy.
Farany, raha ohatra ka mizatra izao hoe:"diso daholo inareo " izao ny saintsika dia tsy hisy fandrosoana hisy eto fa ho toherintsika avokoa izay miakatra eo. Eto dia tsiahiviko fa ny filoha Marc
RAVALOMANANA irery no tena nampadrosoity tany ity na ara-toekarena na ara-kolotsaina.
