sam.
27
mars
2010
Fahombiazana tanteraka no azon’iny olona iny tamin’ny hetsika nokarakarain’ny fikambanana izay tarihiny, mba ho tolo-tanana sy fanampiana ny mpiray tanindrazana traboina vokatry ny loza voa-janahary farany teo. Fitiavana no manetsika iny olona iny ary ny soa atao tokoa levenam- bola. Tonga nidodododo nanolotra fanomezana sy izay zakan’ny tanany ny olom-pirenena malagasy na koa ireo tera-tany vahiny miara-monina amintsika, izany fiaraha- mientana izany dia noho ny ezaka mitohy nataon’iny olona iny, izay nitety faritra teto Madagasikara. Tsy noho izao voina izao ihany fa asa soa maro no nataon’iny olona iny, ary hainy tsara ny fifampikasohana sy fihainoana ny olan’ny mponina izay nolalovany. Ao aorian’ny lehilahy malaza sy mahomby iray dia tsikaritra hatrany fa misy vehivavy tehina sy arofanina mba hijoroany. Anisan’ny vehivavy tena itokisam-bady iny olona iny. Nampanantena hatrany iny olona iny fa ny fikambanana izay tarihiny dia hitsinjo ireo osa sy malemy ianjadian’ny tsy rariny. Nahatoky azy tanteraka ireo nanolo-tanana rehetra fa tsy maintsy ho tonga soa aman-tsara any amin’ireo mila azy ny fanampiana sy ny vola ary ny kojakoja rehetra na sakafo, na fitafiana, na fitaovana- voaangona tetsy Ampefiloha. Azo antenaina kosa ve iny olona iny mba hihaino ampitoniana ny hiakiakan’ireo mpiray tanindrazana aminy ianjadian’ny tsy rariny vokatry ny fifanolanana ara-politika tsy misy farany ity ?. Olana sosialy marobe no naterak’izany: ny tsy fisian’asa, ny olana amin’ny fampidirana ny ankizy hianatra, ny tebitebin’ireo reny marobe mitolona irery amin’ny famelomana ireo menaky ny ainy, ny rotorotompiainana andavan’andro noho ny fahefa-mividy mihena andro aman’alina, ny harerahana ateraky ny tsy fandriampahalemana, ary indrindra ny fiatrehana ny tsy fahasalamana noho ny valan’aretina sy ny areti-mifindra. Mitodika any amin’iny olona iny ny fanantenan’ny reny marobe mba hampitraka azy ireo, ary ho reharehan’ny fianakaviany sy ny fireneny. Asa aloha… fa ny vehivavy anie no matetika antoky ny fahombiazana na ny faharavana e! Dadan’I Ranto
*teny anglisy nandikana ny hoe:<ramatoa>.
Hay ve dia efa tompoina toy izany "iny olona iny". Manao propangady tsy manaraka fepetra, nizara tsy ampy ny traboina ny fanomezana avy any @ amerikanina sy ny frantsay...
Tsy iny olona iny moa ilay nisy nitorakala farine tany paris dia ilay norakorain'ny olona tao @ kianja mitafon'i Mahamasina t@ ilay lalao basikety...? Iny olona iny ilay tsymba miteny ny vadiny hoe
tsy mety izao ataonao izao.
Farany iny olona iny dia mpanakarembe arymahazo tombotsoa manokana @ izao FAT izao.. iny olon'iny mbola ho tsarain'ny vahoaka.
