sam.

27

mars

2010

Jean Marc Chataigner: « Tokony hazava saina ny Malagasy »

Ingahy Ambasadaoro Frantsay

Fotoana tokony hampahazava ny eritreritry ny Malagasy izao. Indrindra raha mahatsiaro ny fikomiana tamin’ny taona 1947 ny vahoaka. Nisy ny resadresaka niarahan’ny mpanao gazetin’ny Basy Vava tamin’ny masoivoho Frantsay, Jean Mar c Chataigner, izay aroso amintsika etoana ny votoatiny. “Fifidianana ihany no vaha olana”, hoy izy. Herintaona izao no nahavoatendry azy teto Madagasikara.

Herintaona ni f anandr i f y indr indr a tamin’ny krizy. Fantatro izao ny Malagasy “Niara-niaina ny krizy tamin’ny vahoaka Malagasy aho. Nizara ny fanahiany sy ny hetahetany aho”. Mahari-pery ny Malagasy ary afaka mino fa I Frantsa dia eo lalandava. “Ny fifidianan ihyany no lalan-tokana hialana amin’izao krizy izao. Saingy tsindriana etoana fa fifidianana iarahan’ny ankolafy rehetra manaiky sy karakaraina no tanjona. Hahatongavana amin’izany, dia tsy maintsy miverina mifampiresaka, hanapahana ny lalan-kizorana.” Noho izany, manao antso amin’ny tsirairay ny masoivoho frantsay mba tsy hijery afa-tsy ny tombontsoan’I Madagasikara. Tsy manampy ny fanjakana akory I Frantsa Nanazava ihany koa ny masoivoho Jean Marc Chataigner fa ny fiaraha-miasa eo amin’I Madagasikara sy Lafrantsa dia efa nisy hatry ny ela. “Tsy ny krizy akory no hanapaka ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta.” Voatsindrona ary nanenjehana an’I Fransta rahateo ny mbola “toa” fanohanany ny fanjakana Fat, indrindra tamin’ny nanolorany ny taratasy fanendrena ny masoivoho taorian’ny fifampidinihana tany Addis-Abeba. “Tokony hotsaroana tsara fa tany amin’ny fiandohan’ny taona 2009 dia efa nanapaka ny fanampiany ny fanjakana Malagasy ara-bola I Frantsa. Saingy tsy nijanona kosa ny tahan-tsoroka ho an’ireo mpandraharaha na fikambanana, ho fanampiana ny vahoaka sahirana.” Farany moa, dia nanazava ny masoivoho fa ny sazy mihatra amin’ny mpikambana sy ireo manampy ny mpikambana ao amin’ny Fat dia tokony hanosika hitady ny fomba hiarahana mamaha ny olana, eo amin’ny samy Malagasy.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Tolona (mercredi, 31 mars 2010 09:44)

    Takiana noho izao faha-50 taona izao amin'i Frantsa ny fahazoana miditra mikaroka ny marina ao amin'ny arsiva miaramila frantsay mikasika ny fanjanahan-tany sy ny fandripahana malagasy nanomboka tamin'ny 1896, 1947, 1958, sns..... Sahin'ny Malagasy ve no mitaky izany Zo izany, mba tsy ho lany tamingana ny Firenena Malagasy mialohan'ny big bang ? Eo foana Frantsa, ekena izany, fa mila fanampiana marina tena hampandroso an'i Madagasikara izany fiaraha-miasa izany,fa tsy ilaina ny fanjanahana tsy misy fara 50 taona amin'ity taona 2010 ity.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra