sam.
27
mars
2010
Raha vao miandoha ny fifankatiavana eo amin’ny olondroa dia tsy hita loatra izay mety ho olana. Rehefa manakaiky kosa anefa ny fotoana irosoana amin’ny firaisana ara-nofo (izay tokony ho aorian’ny fanambadiana) dia mety hitranga amin’izay ny sakana isan-karazany mikasika ny fiboridanana sy ny fanafosafoana. Ity misy fanadihadiana mikasika ny tsiambaratelon’izany. Zava-dehibe ao anatin’ny firaisana ara-nofo ny fanalana ny fitafiana. Na any anaty efitrano io, na any anaty fiarakodia, na amin’ny toerana izay tiana dia mitovy avokoa ny zavatra mety ho tsapa. Iny mantsy no fotoana voalohany hamantarana ny fihetseham-po ara-boajanahary mikasika ny filan’ny tsirairay. Samy manana ny fombany ny mpivady. Ao ny maimaika loatra ka miala tahaka ny tsy teo ny fitafiana. Ao indray kosa ireo miadana tsara mandany fotoana maharitra ka maka tsirony amin’ny fisainana ny mety ho tohiny. Ny fotoana fitanjahana no voalaza fa fotoana fampiakarana ny « excitation » indrindra eo amin’ny olon-droa manao firaisana ara-nofo. Manana ny tsiambaratelony avokoa ny fitafiana tsirairay. Ny feona “fermeture” mivaha ohatra dia efa afaka mifono zava-miafina. Ny zipo milatsaka amin’ny tany, na ny akanjoba mitaratra esorina moramora dia efa ampy avokoa hametrahana ny ambiansy. Somary laroina kely oroka sy safosafo eo am-panalana ny fitafiana dia efa tokony hiakatra tsara amin’ny ilana azy ny fihetsika rehetra. Manan-danja ao anatin’ny fiarahana ihany koa ny fisafidianana ny toerana. Mahafinaritra ny lehilahy sasany ohatra ny mitazana ny olon-tiany miaraka amina akanjo sasany ihany eo am-panaovana firaisana ara-nofo. Miankina amin’ny toe-tsain’ny tsirairay indray ny mahamenatra na tsia eo am-panalana ny fitafiana. Misy ireo tsy ampy traikefa loatra amin’izany ka somary miahotra. Mety ho sakana manimba ny fiarahana anefa izany matetika. Izay no tokony hanomezana toerana ny tambitamby sy ny teny mamy porofom-pitiavana indrindra rehefa hanao firaisana ara-nofo voalohany.