sam.

27

mars

2010

Ankolafy telo Hilahatra hametraka fehezam-boninkazo ?

Ho faritra mena amin’ny ankolafy telo indray ve Antananarivo? Io no mby hifantohan’ny sain’ny maro, raha nandre ny tenin’ny filoha Ravalomanana nanambara fa rariny raha hankalazaina amin’ny fomba manetriketrika ny datin’ny 29 martsa ny alatsinainy ho avy izao. Voalaza fa hisy kabary hataony amin’io andro io? Raha ny tsilian-tsofina tamin’ireo mpikatroka mahery fo ao amin’ny ankolafy telo Ratsiraka, Zafy Albert, ary Ravalomanana, dia hanao diabe izy ireo amin’io alatsinainy io hihazo ny tsangambato etsy Ambohijatovo, hametraka fehezam-boninkazo?. Mety hiainga eny Ambohitsaina io filaharana io, araka ny feo re teny an-dalantsara ihany, saingy voalaza fa mbola hisy fivoriana hatao amin’izao faran’ny herinandro izao. Ny fanontaniana manitiikitika ny maro, dia ny hoe afaka hanao io filaharam-be io ve ireto ankolafy telo ireto? Ny antony, dia saika faritra mena ho an’ireo ankolafy ireo ny tanana eto an-drenivohitra. Ny fanaterana fehezam-boninkazo toy izao mantsy, dia tsy mila hangalana alalana etsy sy eroa, fa izay olona mahatsiaro ny fitiavan- tanindrazana nataon’ireto zoky ray aman-dreny tany aloha, dia afaka manao izany avokoa. Hita eo izay fepetra ho raisin’ny mpitondra Fat, satria mety hanohintohina ny filaminana amin’izy ireo ny fahitana vahoaka hilahatra an-dalambe raha ho tanterahina ihany io hetsika amin’ny alatsinainy io. BasyVava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra