jeu.
25
mars
2010
Taorian’ny tsy nahatafiakarana ho any amin’ny dingana manaraka sady ho fanatanterahana ny fifandimbiasampahefana dia nametra-pialana avokoa ireo mpitantana teo anivon’ny klioban’ny AS Adema, manomboka any amin’ny filohan’ny klioba ka hatramin’ny tompon’andraikitra ara-tserasera sy ny tompon’andraikitry ny fitaovana. Zavatra roa noho izany no antony dia ny alahelo sy ny hatezerana noho ny tsy nahatratratrarana ny tanjona dia ny hadingana ny fifanitsanana savaranonando izay zary lasa sakana tao anatin’ny telo taona misesy izay, sy ny fanomezana vahana ho an’ireo izay vonona handimby amin’ny fitantanana. Ny marimarina kokoa dia tokony ho efa tapitra tamin’ny taona 2009 ny taom-pitantanana, saingy noho ny olana ara-politika nampikatso ny firenena hatrany anivon’ny fanatanjahantena dia voatery tsy maintsy nitondra herintaona fanampiny ny staff administratife an’ny AS Adema. Midika izany fa tsy maintsy hiroso amin’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny eo anivon’ity klioban’ny seranam-piaramanidina ity. Mandra-pahatongan’izany anefa dia mandray an-tanana manatanteraka ny “affaire courante” ny filoha teo aloha, Randriamialisoa Yves Marius. I zay komi ty mpi tantana tafapetraka aorian’ny fifidianana no afaka hanapa- kevitra ny mikasika ny mpanazatra sy ny mpilalao, araka ny fanirian’ireo mpankafy ity kloiba lohalaharana eto Madagasikara sy ny Ligin’Analamanga ity. Tsiahivina ihany fa voatanan’ny Lengthens FC avy any Zimbabwe ady sahala samy tsy nitoko ny AS Adema tamin’ny lalao miver ina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, rehefa avy niondrika tamin’ny isa 1 no 2 tany Zimbabwe. Tsy resy akory ny ekipan’ny Frank Rajaonarisamba fa raraka fotsiny. Zaka Fils